Asabotsy 21 Novambra 2020
(Hoy Jesosy :) Fantatro izay onenanao, dia ao amin’ny itoeran’ny sezafiandrianan’i Satana ; ary mitana mafy ny anarako ianao ka tsy nandà ny finoana Ahy, na dia tamin’ny andron’i Antipasy martiorako aza, izay lehilahy nahatoky Ahy, dia ilay novonoina teo aminareo, teo amin’izay onenan’i Satana. Apokalypsy 2:13
Pergamosy, ivon-toeran’ny fahefan’ny emperora, no tanàna voalohany tany Azia nanorina ny fivavahana tamin’ny emperora. Nisy tempoly natsangana ho ana andriamanitra maro samihafa tao. Ny fiangonana tao Pergamosy dia nonina “ao amin’ny itoeran’ny sezafiandrianan’i Satana”. Nefa dia eken’i Jesosy fa mahatoky ireo kristiana ireo : “Mitana mafy ny anarako ianao”. Tsy nanafina ny fanevany ireo mpino ireo, tsy nanaiky ho resin’ny tahotra, niorina tsara lalandava tao amin’ny finoany an’i Kristy.
Amin’io fiangonana io Jesosy dia milaza ny tenany ho Ilay mandinika ny zavatra rehetra. Ny hafatra entiny dia toy ny sabatra maranitra roa lela mampiharihary ny antony miafina indrindra manosika ny fo (Hebreo 4:12). Satria mantsy nisy olona nitondra fampianarana manova ny Tenin’Andriamanitra, niharoharo tamin’ireo kristiana mahatoky ireo. Amin’izany no itarihan’izy ireo ho amin’ny fanompoan-tsampy sy ny fahavetavetana, ireo izay mihaino azy. Kianin’ny Tompo ny fiangonana tany Pergamosy, nandefitra olona toy izany eo anivony, ka ilazany hoe “Koa dia mibebaha ”, izany hoe : Ekeo fa tsy tokony havelanao hanao izay ataony izy ireo. Ireo izay mandà io fampianaran-diso io sy te hitoetra ho mahatoky, dia omen’ny Tompo ny “mana miafina”, kisarisarin’ny sakafom-panahy ilain’ny mpino isanandro. Mba hahitana izay marina eo amina tontolo manalavitra kokoa hatrany ireo soatoavina kristiana, ary raha tsy te hanaraka ny fenitr’izao tontolo izao, dia zavatra mihoatra noho ny torolalana ara-pivavahana no ilaina. Ny tsirairay no tsy maintsy mitady ho an’ny tenany, ao amin’ny Baiboly, ny fihevitry ny Tompo, ary miaina amin’ny finoana ny hamamin’ny fitiavany, izay ambaran’ny mana miafina.