Alahady 22 Novambra 2020
(Hoy Jesosy :) Raha teo aminareo isanandro teo an-kianjan’ny tempoly Aho, dia tsy naninji-tànana tamiko ianareo ; fa izao no fotoananareo sy herin’ny maizina. Lioka 22:53
Moa tsy mampaninona anareo va, ry mpandalo rehetra ? Jereo sy izahao raha mba misy fahoriana toy ny fahoriako. Fitomaniana 1:12
Ekena ankehitriny, rehefa misy olona voaheloka ho faty any amin’ny tany tandrefana izay mbola mampihatra izany, ny ezaky ny fitsarana hampihena ny faharetan’ny famonoana sy ny fijaliana vokatr’izany ho an’ilay voaheloka.
Ho an’ny Tompontsika Jesosy kosa, dia ny mifanohitra amin’izany no nitranga. Mbola talohan’ny nisehoany teo anatrehan’ny fitsarana ara-pivavahana, dia efa nokapohina tamin-kanosana Izy ary niaritra faniratsirana sy fanesoana ; nororana ny tavany. Avy eo ireo mpitarika ny vahoaka dia nanolotra Azy tamin’i Pontio Pilato, ilay governora romana.
Ity farany kosa, rehefa avy nanao sarintsarim-pitsarana, dia nampikapoka an’i Jesosy ary namela Azy teo am-pelatanan’ny miaramilany, teo daholo mba hanaraby Ilay novainy fitafy ho mpanjaka nasiany satroka tsilo teo an-dohany.
Aza avela hihadonto ny fahatsapantsika, ary aoka isika ho tonga saina amin’ny hamafin’ny fijaliana niaretan’ny Tompontsika, tao amin’ny vatany sy ny saina amam-panahiny, niaretan’Ilay nampanontany tena an’i Pilato hoe fa dia inona loatra àry no ratsy nataony. Aoka halaintsika sary an-tsaina ireo zava-nitranga tsy hay zakaina, namelezan’ny olona rehetra Lehilahy irery tsy nanana mpiaro sady tsy niaro tena, talohan’ny nanomboana Azy teo amin’ny hazofijaliana. Eny, ry Tompo, ho ahy no niaretanao izany ! Ary mihoatra lavitra noho izany, nijaly tamina fomba tsy manam-paharoa Jesosy, rehefa nafoin’Andriamanitra ary nisolo toerana antsika ka nizaka ny famaizana tokony ho nihatra tamintsika.
Ho anao, ry Jesosy, ny fijaliana,
Ny tomany, ny fahafatesana, ny fandaozana ;
Ary ho anay kosa ny fanafahana,
Ny famonjena sy ny famelan-keloka.