Alatsinainy 23 Novambra 2020
Ny afo maharitra mandrakizay ... voavoatra ho an’ny devoly sy ny anjeliny. Matio 25:41
Hataonareo ahoana no fandositra ny fanamelohana ho any amin’ny helo ? Matio 23:33
Jesosy ... Mpanafaka antsika amin’ny fahatezerana ho avy. 1 Tesaloniana 1:10
Lohahevitra tsy dia mahafalifaly izany, hoy angamba ianao ? Marina izany ! Nefa tsy natao hitondra lahatsoratra voafantina mahafinaritra anao ity alimanaka ity, fa mikatsaka hilazalaza ny hafatra feno ampitain’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly, ho an’ny olona rehetra. Miseho imbetsaka ao amin’ny Baiboly ny teny hoe “helo”, adika ihany koa hoe “gehena”, ka tsy azontsika odiana tsy hita. Eo ambany fahazavan’ny Tenin’Andriamanitra isika no mandinika ity lohahevitra ity, sady maniry marina mba tsy hisy hiharan’ny fijaliana any amin’ny helo isika, na dia iray aza (Ohabolana 15:24).
Heno ny fiteny hoe : “Tena helo izay !”, entina milaza fotoana iray tena sarotra teo amin’ny fiainana andavanandro. Nefa ny helo dia zava-misy marina, ary mbola mampivarahontsana lavitra noho ireo zava-manahirana indrindra heverintsika. Ny helo dia zava-misy ho avy, haharitra mandrakizay ary tsy ho azo ovaina intsony !
Mampiasa kisarisary maro Jesosy hilazana ny helo, ka anisan’ireny indrindra ny hoe : “ny maizina any ivelany” sy “ny afo maharitra mandrakizay” (Matio 25:30, 41). Ireo teny ireo dia mifono hevitra mahatsiravina, hevitra ilazana fijaliana faratampony miampy fanalavirana mandrakizay an’Andriamanitra. Ny helo no toerana hampiharana ny famaizana mandrakizay, toerana tena misy tokoa, izay hanipazana, indray andro any, ny zavaboary rehetra, na anjely izany na olona, nanao tsinontsinona an’Andriamanitra ka ninia niaina tsy misy Azy.
Tokony hampieritreritra antsika izany, fa tsy hoe hampamoy fo antsika, satria ny helo dia voaomana ho an’i Satana sy ny anjeliny. Ny olona hany hatsipy any dia ireo izay nanao tsinontsinona, fahavelony, ny fahasoavana natolotr’Andriamanitra. Drafitra hafa no efa nomanin’Andriamanitra ho antsika tsirairay ! Nanome an’i Jesosy Zanany Izy, mba hanafaka ho mandrakizay ireo izay mino Azy.
(hitohy)