Talata 24 Novambra 2020

Sambatra sy masina izay manana anjara amin’ny fitsanganana voalohany ; ireo tsy mba ananan’ny fahafatesana faharoa fahefana... Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo. Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin’ny bokin’ny fiainana, dia natsipy tany amin’ny farihy afo izy. Apokalypsy 20:6, 14, 15

 

Ny helo (2) : ny fahafatesana faharoa

Ny Apokalypsy, ilay bokin’ireo fitsarana, dia manome teny fahatelo manondro ny helo, dia ny hoe “ny fahafatesana faharoa”. Inona no dikan’izany ? Natao ho faty indray mandeha ny olona rehetra. Andriamanitra dia nampitandrina an’i Adama fa ho faty izy raha tsy mankatò (Genesisy 2:17). Nanomboka teo dia ny fahafatesana no fiafarana tsy azo ihodivirana, mamaritra ny fiainan’ny olombelona eto an-tany. Manaraka izany —Andriamanitra hatrany no miteny— dia hisy ny fitsarana, izay azo antoka ihany koa fa hitranga (Hebreo 9:27), saingy tsy ho an’ny mpino tsy akory (Jaona 5:24). Ary tsy ny fahafatesana no fiafaran’ny fisian’ny olona, fa mbola hitsangana avokoa ny olona rehetra.

— Ny sasany, izay nametraka ny fitokiany tamin’i Jesosy, dia hahita ny “fitsanganana ho fiainana”, fiainana mandrakizay any an-danitra miaraka amin’Ilay Mpamonjiny.

— Ny hafa indray, satria tsy voasoratra ao amin’ny “bokin’ny fiainana” ny anarany, dia hahita ny “fitsanganana ho fahamelohana” (Jaona 5:29), izany hoe handre ny didim-pitsarana manameloka azy, ka hizaka any amin’ny helo ny “fahaverezana mandrakizay” (2 Tesaloniana 1:9), lavitra ny tavan’ny Tompo. Io no atao hoe “fahafatesana faharoa”.

Andriamanitra dia marina sy mahitsy, ka mampitandrina antsika tsirairay. Tsy hisy, amin’ny andron’ny fitsarana, olona afaka hitaraina hoe notampohina. Tsy tokony hangataka andro intsony na iza na iza, fa hanapa-kevitra izao ankehitriny izao. Taomin’Andriamanitra ny olona rehetra handray ny fahasoavany, amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesosy. Jesosy dia nisolo toerana antsika, teo amin’ny hazofijaliana, niaritra ny fahatezeran’Andriamanitra. Izay mino ny Tompo Jesosy sy ny sorona nataony dia voasoratra anarana ao amin’ny bokin’ny fiainana. Izay mandà izany fahasoavana izany dia mihantsy ny “fiandrasana mahatahotra amin’ny fitsarana, ary fahatezerana mirehitra, izay handany ny fahavalo [fahavalon’Andriamanitra] rehetra” (Hebreo 10:27). Manaova ny safidin’ireo “sambatra” (Lioka 11:28).