Alarobia 25 Novambra 2020

Koa hanao ahoana re ianareo any am-parany ? Jeremia 5:31

Anio, raha hihaino ny feony ianareo, aza manamafy ny fonareo. Hebreo 3:15

 

Hanao ahoana re ianareo any am-parany ?

Io andinin-tSoratra Masina io dia hita ao afovoana teny lavabe fiampangan’Andriamanitra an’i Jerosalema, ary nosoratan’ny mpaminany Jeremia 2600 taona lasa izay. Efa ela ny mponina tao amin’io tanàna io no nikomy tamin’i Jehovah sy tsy te hiraharaha ireo fampitandremany. Koa nigadona ny fotoanan’ny fitsarana, ka hisy firenena iray avy lavitra hanafika ny tanàna sy hanao sesitany ny mponina (Jeremia 5:15-19). “Hanao ahoana re ianareo any am-parany ?” Nanakoako izany fanontaniana izany, toa antso farany, fitaomana farany mba hieritreritra sy hiverina amin’Andriamanitra. Nefa tsy hisy hamaly io antso io, ka taona vitsivitsy tatỳ aoriana dia hanatanteraka ny didim-pitsarana nolazaina ny mpanjakan’i Babylona (2 Mpanjaka 25 ; taona 588 tany ho any, talohan’i JK).

An-dalam-pivarinana ao anatin’ny korontana tanteraka ara-toe-panahy aman-tsaina ny sivilizasiona tandrefana ankehitriny. Misy tranga vaovao mahamenatra, isanandro ; manenika ny sehatra rehetra eo amin’ny fiarahamonina ny kolikoly. Kanefa “Andriamanitra tsy azo vazivazina” (Galatiana 6:7). Mahari-po Izy, nefa lazain’ny Baiboly antsika fa “Izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ny fahamarinana amin’ny alalan’ny Lehilahy iray voatendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy, tamin’ny nananganany Azy tamin’ny maty” (Asan’ny Apostoly 17:31). Jesosy Kristy io Lehilahy io. Tsy tiany anefa ny hanjary mpitsara antsika, indray andro any ; fa tiany harovana aza isika, mba tsy hiharan’ny fitsarana. Izy mihitsy no efa niharan’ny fahatezeran’Ilay Andriamanitra masina, mba tsy hilatsaka amintsika na oviana na oviana izany fahatezerana izany. Miankina amintsika ihany raha toa isika hiaiky aminy ny fahadisoantsika, hino Azy, ary handray ny fahasoavany.

Aza miandry intsony ; fa raha tsy izany, hanao ahoana re ianao any am-parany ?