Alakamisy 26 Novambra 2020

Hataontsika ahoana no fandositra, raha tsy mitandrina izao famonjena lehibe izao isika ? Hebreo 2:3

(Hoy Jesosy :) Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo ; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo. Jaona 14:27

 

Alohan’ny loza amin’antambo

Peta-drindrina kely iray manao somonga no mampitandrina ny mponina akaikina foibem-pamokarana angovon’atôma iray, momba ny loza mitatao amin’izy ireo. Sary io afisy io, takelaka misy soratra hoe : “Raha misy filazana loza atômika tampoka” ; eo ambanin’ilay takelaka dia sary lalimoara fitaratra, sy maritoa hamakiana ny fitaratra ; ary ny ao anatin’ilay lalimoara dia … Baiboly.

Misy tsy ampy eo amin’io sary io, dia teny roa hoe : Tara loatra. Ny Baiboly mantsy dia tsy boky natao ho an’ny aoriana kely, na bokina torolalana milaza izay tokony hatao mba hahavelomana aoriana-na loza lehibe, fa ilay boky tokony hovakina androany. Hafatra ho an’izao fotoana ankehitriny izao no entiny. Hafatra mifono fitiavana, mifono fahamarinana ; hafatra maika, satria mety ho tonga amin’ny fotoana rehetra ny fahafatesana, ka tsy maintsy miomana tsy misy hataka andro, hihaona amin’Andriamanitra. Firifiry moa ireo manao an-tsirambina, manao ampitso lava io fanapahan-kevitra io ! Nefa ny “aoriana kely” dia mety hivadika ho “tara loatra”.

Aza miandry ny fisotroan-dronono, na ny fahanteram-be. Ho tratranao ve izany ? Ary raha tratranao aza, ianao ve hahira-tsaina hahay handamina amin’Andriamanitra ny momba ny fanahinao rehefa any ankoatra ?

Ahoana no hisehoanao eo anatrehan’Andriamanitra ? Am-piadanana ve, satria Jesosy efa nanome anao ny fiadanany ? sa milanja ny vesatry ny fahotanao rehetra ? Androany ianao no tokony hiaiky aminy ireo fahotanao, handray ny famelan-keloka, ary hahazo ny fiainana mandrakizay : izany no ilay hoe “famonjena lehibe”. Io famonjena io dia atolotra izay rehetra mino fa Jesosy dia nahatanteraka ny fampihavanana, tamin’ny sorona nataony teo amin’ny hazofijaliana. Tsy vitan’ny hoe homeny anao ny fahazoana antoka fa ho sambatra mandrakizay ianao, fa dieny ankehitriny ianao dia ataony migoka fiadanana sy fifaliana tsy hain’izao tontolo izao omena anao.