Zoma 27 Novambra 2020

Koa mananatra voalohany indrindra aho mba hatao izay fangatahana, fivavahana, fifonana, fisaorana, ho an’ny olona rehetra, ho an’ny mpanjaka mbamin’izay rehetra manana fahefana... Koa tiako ny lehilahy hivavaka eny tontolo eny. 1 Timoty 1, 2, 8

 

Rarao izy !

Tao amina tanàna kely any Bangladesh dia nisy vehivavy nanatona misionera iray, nangataka aminy handrara ilay lehilahy mpiara-monina aminy mba tsy hivavaka ho azy intsony.

— Fa ahoana no ahafantaranao fa mivavaka ho anao izy ? hoy ilay misionera, nanontany.

— Satria izay ela izay, rehefa mivavaka amin’ireo andriamanitry ny fivavahana hindoa aho, dia nilamina tsara ; fa fotoana vitsivitsy kosa izao, dia tsy izany intsony. Sady indray andro koa aza izy dia nilaza tamiko fa mivavaka ho an’ny ankohonako ; ka vokatr’izany dia nanjary kristiana ny zanako mirahavavy sy ny zanako lahy. Raha mbola manohy mivavaka izy, dia izaho koa no mety hanjary kristiana. Ataony tanteraka daholo ny zavatra rehetra angatahiny, amin’ny vavaka ataony. Tokony hisy olona hanakana azy mihitsy tsy hivavaka intsony…

Hoy ny Baiboly amintsika : “Mifampivavaha… Ny fiàsan’ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra. Elia dia olona tahaka antsika ihany, ary izy nahery nivavaka mba tsy hilatsahan’ny ranonorana ; dia tsy nilatsaka tamin’ny tany ny ranonorana, telo taona sy enim-bolana. Ary nivavaka indray izy, dia nandatsaka ranonorana ny lanitra, ka nahavokatra ny tany” (Jakoba 5:16-18).

“Efa mby akaiky ny Tompo. Aza manahy na inona na inona ; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra, amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy” (Filipiana 4:5-7).