Talata 29 Desambra 2020

Tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita ; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay. 2 Korintiana 4:18

Enga anie ka hohenoinareo anio ny feony (feon’Andriamanitra) manao hoe : Aza manamafy ny fonareo. Salamo 95:7, 8

 

Ny androm-piainantsika

Solomona, ilay mpanjaka nalaza noho ny fahendreny sy ny faharanitan-tsainy, dia nanan-karem-be koa (2 Tantara 9:22, 23). Nefa ny zavatra rehetra niainany dia miafara amina fehin-kevitra mety hanaitra antsika, hoe : “Zava-poana dia zava-poana, eny, zava-poana ny zavatra rehetra” (Mpitoriteny 1:2). Izany fiteny izany dia manamarika tsara ny eto amin’ity tany ity, mifanohitra amin’izay avy amin’Andriamanitra sy izay any an-danitra. Zava-poana avokoa ny zavatra rehetra !

Io fofonaina io, io zavona antsoina hoe fiainantsika io, dia miseho vetivety, ary avy eo levona (Jakoba 4:14) rehefa izay no tendrin’Ilay Andriamanitra mandrakizay, satria eo an-tanany ny androntsika (Salamo 31:15). Ny fahanterana dia matetika loatra no itrangan-java-manahirana : manirery ny tena, sahirana ara-batana, mihena ireo fahaizana sasantsasany ampiasain’ny saina, toy ny fitadidiana na ny fahafahana manapa-kevitra, mieritreritra… Koa alohan’ny fahanterantsika dia tian’Andriamanitra hosintonina ho amin’izay maharitra mandrakizay ny saintsika, mba hanomezantsika toerana kely kokoa ho an’ny zavatra mihelina. Apetrany eo anoloantsika, ao amina salamo iray nataon’i Mosesy, ny karazana famintinana ny fiainan’ny zanak’olombelona : “Fitopolo taona no andron’ny taonanay, ary raha tàhiny mateza aza, dia valopolo taona, nefa fahasasarana sy zava-poana ny voninahiny, fa mihelina faingana izany ka lasa manidina izahay” (Salamo 90:10). Taorianan’izany fahatsapana izany dia nangataka tamin’Andriamanitra i Mosesy hoe : “Mampianara anay hanisa ny andronay, hahazoanay fo hendry” (and 12). Anio, ndao isika tsirairay hanisa ny andro nomen’Andriamanitra antsika hatreto. Na firy izany na firy, dia tsy fantatro ny isan’ireo mbola ho avy. Anio no andro ankasitrahina, mba hinoana ny teniny sy hivelomana amin’izany.