Alarobia 30 Desambra 2020

Iny Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny, dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra. Asan’ny Apostoly 1:11

Fa ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra, amin’ny fiantsoana sy ny feon’ny arikanjely ary ny trompetran’Andriamanitra, ka izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana, aloha. 1 Tesaloniana 4:16

 

Avy faingana Aho

“Ho avy indray [Aho] ka handray anareo ho any amiko” (Jaona 14:3). Mampahery sy mahafaly indrindra ny kristiana izany fampanantenan’ny Tompo Jesosy izany. Eo anivona tontolo tsy miraika na amin’inona na amin’inona, dia miandry ny fiverenan’ny Tompony izy ireo. Maro ny tsy mino maniratsira ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly, ka maneso hoe : “Aiza ny teny fikasana ny amin’ny fiaviany ?” (2 Petera 3:4). Kanefa mandalo ny taona ary mampanakaiky antsika amin’ny fahatanterahan’izany.

“Indro, avy faingana Aho” (Apokalypsy 22:7). Ho avy indray Jesosy, Ilay Mpamonjy, haka ireo rehetra natoky Azy ary hampiditra azy ireo miaraka aminy, ao amina fahasambarana haharitra mandrakizay. Ny mpino efa nodimandry dia hatsangana aloha, ka hakarina miaraka amin’ireo mbola velona, hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka (1 Tesaloniana 4:17). Izany zavatra manaitra sy manetriketrika izany dia hitranga ao anatina fotoana fohy dia fohy, indray mipy maso (1 Korintiana 15:52), ary tsy ho hitan’izao tontolo izao. Toy ny niakaran’ny Tompo, izay tsy nisy nahita afa-tsy ny mpianatra (Lioka 24:57), dia ho toy izany koa rehefa ho avy indray Izy, haka ny olony.

Ho an’ireo izay hahatsapa tampoka ny tsy maha eo intsony ny namany na ny mpiara-monina aminy izay kristiana, dia ho tara loatra ny hamitranam-pihavanana amin’Andriamanitra. Fa androany kosa dia mbola fotoanan’ny fahasoavana, “ny Tompo … mahari-po aminareo… ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra” (2 Petera 3:9).