Alakamisy 31 Desambra 2020

Ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo. Romana 8:28

 

Tsy misy fanenenana

 

Eny ! fahasoavana lehibe indrindra

Ny nametraka tamin’i Jesosy Kristy

Ny tena, ny aina ary ny fanahy,

Izay rehetra ananana, izay rehetra tiana !

 

Mety tsy ho nosafidiko angamba

Ny lalako araka ny nanaovan’Andriamanitra azy,

Nefa dia ekeko tsy misy fanenenana

Ny sitrapon’ny Tompo, sitrapo masina.

 

Na inona na inona hitranga, dia afaka mino aho

Fa fantany mialoha ny zavatra rehetra,

Ary noho ny fahasoavany, dia nokendreny

Mba hifarana ho voninahiny ny zavatra rehetra.

 

Fantany tsara aoka izany izay ilaiko !

Amin’ny fitiavany aho no miantehitra ;

Ny zava-miafin’ny zavatra rehetra

Dia hambara ahy any ambony any !

 

Rose Gaensli