Alahady 31 Janoary 2021
(Hoy Jesosy :) Raha Izaho ihany, dia tsy mahay manao na inona na inona ; … fa tsy mitady ny sitrapoko Aho, fa ny sitrapon’Izay naniraka Ahy. Jaona 5:30
Izaho tsy niteny ho Ahy, fa ny Ray Izay naniraka Ahy, Izy no nandidy Ahy izay holazaiko sy izay hotoriko. Jaona 12:49
Nihinana ilay voankazo voarara i Adama, satria tsy niankina tamin’Andriamanitra, fa nanao ny sitrapony manokana. Nanaraka ny nataony ireo taranany, ka nandamina ny fiainany, tsy niraharaha an’Andriamanitra. Nanomboka tamin’izay ny olona dia nihevitra ho tompon’ny tenany sy hanana zo hanao izay tiany, tsy miraharaha izay hevitr’Andriamanitra.
Tsy mba toy izany velively kosa Jesosy. Ny sitrapon’Andriamanitra no nibaiko ny fitondrantenany manontolo, izany no antom-piainany sy fifaliany. Tsy nanao ary tsy te hanao na inona na inona Izy, raha tsy miaraka aminy. Nihinana Izy, nisotro, niteny, niasa araka izay sitrapon’ny Rainy.
— Talohan’ny niandohan’ny fanompoany ampahibemaso Jesosy dia nifady hanina nandritra ny efapolo andro. Fantatr’i Satana fa noana Izy, ka nanisihany hevitra hampiasa ny fahefany mba hanova vato ho tonga mofo. Jesosy anefa, na oviana na oviana, tsy mba nampiasa ny fahefany ho an’ny tenany. Ny Tenin’Andriamanitra no namelona Azy, ary Andriamanitra no hamahana Azy…
— Rehefa nilazana Jesosy fa marary i Lazarosy sakaizany, dia niandry baikon’ny Rainy Izy vao nandeha tany amin’io ankohonana tiany io. Nony tonga tany Izy, dia efa maty hefarana i Lazarosy. Koa dia natsangan’i Jesosy tamin’ny maty izy, ary tamin’izany no nanehoan’ny Ray ny voninahitry ny Zanany.
— Taloha kelin’ny nanomboana Azy teo amin’ny hazofijaliana, dia niatrika ady mafy Jesosy : te hamonjy ny olona Andriamanitra, nefa mba hahatanteraka izany, dia tsy maintsy mitondra ny fahotan’izy ireo Jesosy, mizaka ny famaizana izany. Tsy afaka haniry izany Izy, Izy Izay masina tanteraka. Nitalaho tamin’ny Andriamaniny Izy, tamina fitarainana mafy sy ranomaso be (Hebreo 5:7). Nefa ny sitrapon’Andriamanitra no alohan’ny zavatra rehetra, koa nampandefitra ny sitrapony Izy, ary nanolotra ny ainy hamonjeny antsika.