Alatsinainy 1 Febroary 2021
Fa tokony hanana faharetana ianareo, mba hahazoanareo izay lazain’ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra. Hebreo 10:36
Handeha hamangy namana aho androany. Tsy ela anefa aho teny an-dalana, nandeha bisikileta, dia tonga saina fa ho sarotra kokoa tsy araka ny noeritreretiko ny hanala ireo kilometatra vitsivitsy : nanohitra ahy ny rivotra, ary indraindray aho dia ohatra ny tsy nandroso mihitsy. Nanomboka nanerika ny andro, ary nitsoka mafy teo amin’ny tavako ny rivotra. Nandalo vetivety kely tao an-tsaiko ny hoe hiverin-dalana. Teo no ho eo ihany anefa izany eritreritra izany dia voasolon’ny fiheverana ireo fotoana mamy hifaliako rehefa tonga any. Koa nanapa-kevitra aho fa tsy hiverina ilalana !
Nampieritreritra ahy momba ny lalam-piainako izany : toy ireo olona an’arivony maro manerana izao tontolo izao, dia mandroso eo amin’ny lalan’ny finoana aho, manaraka an’i Jesosy Kristy Mpamonjiko. Tahaka azy ireo aho dia nahatsapa ny hamoram-panahin’ny Tompo, ny fanatrehany, ny tambitambiny, ny fitiavany, ny famelany heloka… Mikapoka antsika rehetra anefa, indray andro any, ny rivotry ny fitsapana sy ny ranonoran’ny ranomaso ; ary indraindray aza dia mahakivy antsika mihitsy. Dia ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika, ary angamba aza tsy mahatanty ny miaina intsony. Nefa rehefa tonga amin’ny faratampony ireny tafiotra ireny, dia manome herim-po indray ny fanantenana ny fiainan-ko avy, ny fatokiana fa ho tanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra, ary ny fiheverana ireo fotoana rehetra mahatretrika eo anoloantsika —manome herim-po hanohizana mitia, mamela heloka, mivelona ho an’i Jesosy Kristy. Enga anie ka ho fanantenana toy izany koa no hiaraka aminao anio tontolo andro !