Talata 2 Febroary 2021
Iza moa no miteny, ka dia mahatonga izany, raha tsy zavatra efa nodidian’ny Tompo ? Fitomaniana 3:37
Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra. Romana 8:28
„Raha nisy Andriamanitra, dia tsy matin’ny homamiadana ny reniko.”
Nampieritreritra ahy io fanamarihana nataona mpiara-miasa amiko io. Azoko an-tsaina ny fahoriany nanoloana ny reniny marary, ny fanantenany Ilay Andriamanitra mahery afaka manasitrana, avy eo ny fisaonany, ny hadisoam-panantenany, ary ny fisalasalany momba ny fisian’Andriamanitra mihitsy aza.
Andriamanitra manatanteraka ny fikasantsika, milefitra manoloana ny sitrapontsika sy ny faniriantsika ; raha atao bango tokana : Andriamanitra manompo antsika… Tsia, tsy misy io Andriamanitra io !
Fa ny Andriamanitra asehon’ny Baiboly kosa dia Andriamanitra manatanteraka ny sitrapony, fa tsy ny sitrapontsika, ary ny hany tanjony amin’izany dia ny mba hahazoan’ny tsirairay ny fiainana mandrakizay (fahasambarana maharitra mandrakizay).
Ny zava-mitranga rehetra eo amin’ny fiainantsika, na mahafinaritra na mampangirifiry, dia samy ampiasain’Andriamanitra hahatanteraka ny fikasany amintsika tsirairay. Tsy vokatry ny kisendrasendra na oviana na oviana ireny, fa noho ny sitrapon’Ilay Andriamanitra tia ny voariny sy te hitarika azy ireo hitodika aminy.
Aleo tsy manilika am-pangidiana an’Andriamanitra tsy ho eo amin’ny fiainantsika, fa mianatra hahita ny tanany te hisarika antsika hanatona Azy, na inona na inona manjo antsika.
Fa ny tena manosika antsika hanana fatokiana tsy misy fetra an’Andriamanitra, dia ny fitiavany. „Nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:16).
Tsy ho diso fanantenana ianao, na oviana na oviana, raha io hany „Andriamanitra marina sady Mpamonjy” (Isaia 45:21) io no ivavahanao.