Alarobia 3 Febroary 2021

(Hoy Jesosy :) Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary ; tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota. Marka 2:17

 

Voavonjy ! Fa amin’inona ?

Nandritra ny resaka nifanaovana tamina kristiana momba ny Filazantsara, dia nanontany ity tovolahy iray hoe : „Tonga tetỳ an-tany Jesosy, ary maty teo amin’ny hazofijaliana ; fa mba hamonjy antsika amin’inona marina moa ?” Mitombina ny fanontaniana, ary akon’ny tenin’i Jesosy tanisaina eo amin’ny andininy nomena antsika androany.

Inona no aretiko ? Inona no fahotako ? Mamaly ireo fanontaniana ireo Andriamanitra, ao amin’ny Baiboly. Hentitra Izy manambara fa „tsy misy marina na dia iray akory aza”, ary „samy efa nanota izy rehetra” (Romana 3:11, 23). Ny hoe manota dia manao zavatra —na amina asa, na amina teny, ary na amina eritreritra aza- mifanohitra amin’ny toetra lavorary sy masina ananan’Andriamanitra. Ny tsy firaharahana Azy fotsiny aza, dia efa fahotana sahady, satria didiny ny hoe : „Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra” (Deoteronomia 6:5, ampahatsahivin’i Jesosy ao amin’ireo filazantsara : Lioka 10:27). Ary ny famaizana natokan’Ilay Andriamanitra masi-mandidy ho an’ny mpanota, dia ny hijaly mandrakizay am-panahy, lavitra Azy. Ny ho voavonjy amin’izany no ilain’ny tsirairay, ary noho izany no nahatongavan’i Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, tetỳ an-tany, mba handamina ny momba izany sy hanolotra ny famonjena, ho an’ny olona rehetra.

Manahirana indraindray ny mankany amin’ny mpitsabo, rehefa mahatsiaro ho tsy tsaratsara sady matahotra ny valin’ny fizahana. Tsy tokony hanana izany tahotra izany, rehefa amin’i Jesosy, satria na dia tsy azo ivalozana aza ny valin’ny fizahana, azo antoka kosa ny fanafody, lavorary, ary tsy iverenana intsony, dia ny mino ny Tompo Jesosy (Asan’ny Apostoly 16:31).