Alakamisy 4 Febroary 2021

Iza no Andriamanitra tahaka Anao, Izay mamela heloka sady mandalo ny fahadisoan’ny sisa amin’ny lovany ? Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy, fa tia famindrampo. Mika 7:18

Na amin’inona na amin’inona no anamelohan’ny fontsika antsika, … Andriamanitra lehibe noho ny fontsika ka mahalala ny zavatra rehetra. 1 Jaona 3:20

 

Lasa lavitra loatra aho

Tsy misy olona ratsy loatra, amin’Andriamanitra. Lehibe lavitra noho ny fahadisoantsika rehetra ny fitiavany ! Imbetsaka Andriamanitra, ao amin’ny Baiboly, no manome antoka antsika momba ny fitiavany sy ny famelany heloka ; ohatra : „Izaho efa nandevona ny fahadisoanao tahaka ny fandevona ny zavona, ary ny fahotanao tahaka ny rahona ; koa miverena amiko, fa efa nanavotra anao Aho” (Isaia 44:22). Andriamanitra tokoa mantsy tsy nianina fotsiny nilaza hoe tia antsika, na dia eo aza ny fahotantsika, sy hoe te hanome antsika ny fiainana any ankoatra ny fahafatesana. Fa tonga mihitsy Izy, tao amin’ny tenan’i Jesosy Zanany, niaina teto anivontsika. Ary Jesosy mihitsy no nitantara ny fanoharana momba ilay zanaka adala, izay noraisin’ny rainy an-tanan-droa (Lioka 15:20). Ary mba hampisehoan’Andriamanitra hatramin’ny farany fa mamindra fo sy mamela heloka Izy, dia nanolotra ny ainy Jesosy, ho ahy sy ho anao, mba hamafany ny fahadisoantsika rehetra.

Ry mpamaky, vesaran’ny fahadisoanao angamba ianao, ary mihevitra fa tsy misy azo antenaina intsony ny aminao. Ny mifanohitra amin’izany anefa no lazain’i Jesosy anao, Izy Izay nampanantena ilay jiolahy nohomboana teo anilany fa hampiditra azy any am-paradisa ny androtrio ihany ! Angamba ianao tsy mahay mamela heloka ny tenanao, fa Andriamanitra kosa dia vonona hanao izany. Hoy Izy aminao ankehitriny : „Izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy” (Jaona 6:37).