Zoma 5 Febroary 2021

Tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray (Adama) ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, … satria samy efa nanota izy rehetra. Romana 5:12

Amin’ny anarany no hahazoan’izay rehetra mino Azy (Jesosy) famelan-keloka. Asan’ny Apostoly 10:43

 

Mofomamy misy poizina

Nanapa-kevitra hamboatra mofomamy aho. Nividy ny dibera tsara indrindra aho, atody mbola vaovao, lafarinina tsara, sns. Nafangaroko ireo zavatra isan-karazany ireo, ka nahavitako koba malama tsara sy maha te hihinana. Nefa raha misy olona ratsy saina mandraraka poizina eran’ny sotro ao anatin’ny koba, dia hihanaka ao amin’ny koba manontolo izany, ka ho simba ilay mofomamy. Tena tsara avokoa ny akora nampiasaina, nefa poizina kely fotsiny dia ampy hanimba ny mofomamy iray manontolo.

Izany kisarisary izany dia maneho kely ihany ny toejavatra misy ankehitriny eo amin’ny olombelona. Noarìn’Andriamanitra ho lavorary i Adama, nomeny toetra tsara maro, tena tsara ny „akora nampiasaina”. Nefa ny ota, toy ny poizina mahafaty, dia nanimba io voary lavorary io. Nanimba ny olombelona rehetra ny ota. Feno sady mampihoron-koditra ny fahavoazana : nanjary olona mpanota i Adama teo amin’ny toetra maha izy azy, ary toy izany koa ny taranany rehetra nandimby azy. Nambaran’Andriamanitra nanomboka hatreo, fa tsy misy zavatra tsara intsony azo antenaina amin’ny olombelona. Na ireo hatsarana ara-toe-panahy lavorary indrindra aza, dia nolotoin’ny ota ; simba tanteraka ny zavatra rehetra…

Fa Jesosy Kristy no valiny mahagaga sy mahery nomen’Andriamanitra, manoloana izany toejavatra mampalahelo izany. Tonga teto amin’izao tontolo izao Izy, tsy nanana ota, ary nanolotra ny tenany ho sorona. Ireo izay mino Azy dia voadio ho afaka amin’ny fahotany, ka mandray toetra vaovao, masina toy ny Azy.

„Raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy ; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo” (2 Korintiana 5:17).