Asabotsy 6 Febroary 2021
Raha niangona ny vahoaka betsaka tsy hita isa ka nifanitsaka, Jesosy dia niteny tamin’ny mpianany aloha, ka nanao hoe : Mitandrema ianareo, fandrao azon’ny… fihatsarambelatsihy. Lioka 12:1
Mahagaga ! Olona an’arivony no nifanosika mba hihaino teny tsara avy amin’i Jesosy, nefa dia ny mpianany aloha no nampitandremany, tsy ho azon’ny fihatsarambelatsihy. Hoy angamba ny sasany, hoe sady tsy misy vokany izany no tsy mampahery. Nefa tsy mba diso ny Tompo !
Ny fihatsarambelatsihy no nampiavaka ny mpitondra fivavahana tamin’izany vanimpotoana izany. Miteny izy ireo, nefa tsy manatanteraka ; ary noho izany dia tsy azo itokisana mihitsy ny fampianarany. Teren’izy ireo ny hafa hanaja didy izay tsy tanterahin’izy ireo akory. Koa ahoana moa ny olona mihaino azy ireo no tsy ho kivy eo amin’ny fitadiavany an’Andriamanitra ? Ary farany, manangan-tena ho mpanelanelana eo amin’Andriamanitra sy ny olona izy ireo, ka miseho ho mpampianatra to teny sy ho mpitarika. Foanany amin’izany ny fifampiresahana mivantana eo amin’ny olona iray sy Andriamanitra. Io fifampiresahana io anefa no hany fomba hanatonantsika Azy, amin’ny fiekena ny fahotantsika aminy sy ny fanambarana ny finoantsika Azy. Araka izany dia hidìny mba tsy hidiran’ny olona ny fanjakan’Andriamanitra, fanjakana izay tsy idiran’izy ireo akory.
Ry kristiana, isika koa dia mety hitovy amin’ireo olona ireo, izay nanadio „ny vohon’ny kapoaka sy ny lovia”, nefa tsy niraharaha ny tena zava-dehibe, dia ny manadio ny ao anatiny. Ireo mahita ny fiainantsika isanandro dia manjary mahatsikaritra mandrakariva, any am-parany, raha mifanaraka amin’ny tenintsika ny fitondrantenantsika na tsia.
Koa voalohany indrindra, aoka isika hiambina mba ho marina sy mahitsy fo eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona, dia afaka handray ny fijoroantsika ho vavolombelona ireo izay mahita ny fiainantsika.