Alahady 7 Febroary 2021

Fa Ianao no nampivoaka ahy avy tao an-kibo ; nampandry ahy feizay Ianao, fony aho mbola nampinonoin’ny reniko. Salamo 22:9

Ary dia naneso toy izany koa ny lohan’ny mpisorona mbamin’ny mpanora-dalàna sy ny loholona ka nanao hoe : … Natoky an’Andriamanitra Izy… Matio 27:41-43

Fa ny marina, matoky na dia mby ao amin’ny fahafatesana aza. Ohabolana 14:32

 

Jesosy — ny fatokiany (6)

Niahiahy an’Andriamanitra i Adama, ary nanaraka azy ny olombelona, nanary ny fatokiany Ilay Mpahary azy. Nanilika an’Andriamanitra izao tontolo izao rehefa nandamina ny fiainany, ary niahiahy Azy sy nikomy taminy. Manjaka ny ota, miaraka amin’ny vokatra aterany, ary Andriamanitra no ampangain’ny olombelona ho loharanon’ireo…

Tao amin’izany tontolo izany no nahatongavan’i Jesosy sy niainany, natoky tanteraka an’Andriamanitra :

— Andriamanitra no Andriamaniny hatrany an-kibon-dreniny. Niahy Azy koa Andriamanitra tamin’ny fotoana nahaterahany. Nandritra ny fahazazany dia mbola Andriamanitra hatrany no nitokian’i Jesosy.

— Tao anaty tafiodrivotra dia natory am-pilaminana teo am-bodin’ny sambo Izy (Marka 4:38). Afaka niteny Izy hoe : „Izaho hatoky Azy” (Hebreo 2:13).

— Talohan’ny nananganany an’i Lazarosy sakaizany tamin’ny maty, dia feno fatokiana tanteraka Izy niteny tamin’Andriamanitra Rainy hoe : „Fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Ianao” (Jaona 11:42).

— Niankina tanteraka tamin’ny fahendren’ny Rainy Izy : „Eny, Raiko ; fa izany no sitraponao” (Matio 11:26).

— Nony voahombo teo amin’ny hazofijaliana Izy, noesoin’ireo fahavalony, ary nilaozan’ny Andriamaniny (Matio 27:46), nefa tsy niova ny fatokiany (Ohabolana 14:32).

— Farany, rehefa niala aina Izy, dia teo an-tanan’ny Rainy no natolony ny fanahiny (Lioka 23:46). Natoky Izy fa Andriamanitra no hiahy Azy ka tsy hahafoy Azy any amin’ny fahafatesana (Salamo 16:9, 10). Ary tsy nandiso fanantenana Azy ny fatokiany. Natsangan’Ilay Andriamaniny Izy ary napetrany teo ankavanany.