Alatsinainy 8 Febroary 2021
Jesosy Kristy Tompontsika… efa tia antsika ka nanome antsika fampiononana mandrakizay. 2 Tesaloniana 2:16
Koa aoka isika hanatona ny sezafiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana, ho famonjena amin’izay andro mahory. Hebreo 4:16
Nampiantrano an’i Elisa mpaminany ity vehivavy manankarena iray sy ny vadiny, ka nanokana efitrano kely ho azy. Nankasitrahin’i Elisa izy mivady, nalala-tanana nampiantrano azy, ka nampanantena izy fa hiteraka zazalahy tsy ho ela ravehivavy, izay tsy nanan-janaka. Dia niteraka zazalahy tokoa ireto mpivady, araka ny tenin’ilay mpaminany, ary nikoloko azy io tam-pitiavana ny reniny.
Indray maraina anefa, tany an-tsaha niaraka tamin-drainy ilay zaza ary nitaraina narary andoha. Nampanaterin-drainy nody tany an-trano izy. Vetivety dia nihombo ny aretiny, ka maty teo am-pofoan-dreniny izy nony mitataovovonana. Dia natsotrany teo ambony farafaran’ilay mpaminany ity zanany malala, ary lasa izy nandeha. Gaga ny vadiny nahita azy nandeha, ka nanontany azy, ary novaliany hoe : „Tsy misy inona ka !”. Dia mbola izany koa no navaliny ny mpanompon’i Elisa tonga nitsena azy.
Nefa kosa teo anatrehan’i Elisa, „ilay lehilahin’Andriamanitra”, dia namboraka ny alahelony sy ny tsy fahatakarany ny zava-nitranga izy. Naleony, hoy izy, tsy nanan-janaka mihitsy, toy izay hamoy azy ankehitriny… Nihaino azy ny mpaminany, avy eo nankany an-tranony ary nanangana ilay zaza tamin’ny maty.
Ianao ve manana alahelo tsy takatry ny olona ? Alahelo tena anao manokana ve izany, ka tsy idiran’ireo olona akaiky anao ? Raha feno fangidiana ianao, dia manaova tahaka ity vehivavin’ny finoana ity, manatòna mivantana an’i Jesosy ; lehibe noho i Elisa Izy, nefa tsy mba manosi-bohon-tanana an’iza na iza. Ambarao aminy amin’ny vavaka ny zavatra rehetra, na dia ireo otri-po ao aminao aza. Fantany ianao. Takany ny fahorianao, hampitony ny fonao Izy, na dia tsy hiova aza ny toejavamisy.