Talata 9 Febroary 2021
Mivavaha, ka aza mitsahatra. 1 Tesaloniana 5:17
Mivavaha mandrakariva… amin’ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana. Efesiana 6:18
George Müller (1805-1898) dia notarihin’ny finoany hanorina sy hitantana trano lehibe fitaizana zaza kamboty tany Bristol, any Angletera. Kristiana nanana finoana matotra izy, ary niaina izany. Momba ny vavaka, dia hoy izy tamina tanora :
„Tsy rehefa ao anaty zava-tsarotra goavana ihany vao tokony hivavaka, ohatra rehefa miala aina ny vady malala, na marary ny zanaka mamy. Fa amin’ny fotoana rehetra, ary na amin’ny zavatra kely na amin’ny zavatra lehibe, dia afaka mivavaka. Manomboka amin’ny maraina ka hatramin’ny hariva dia aoka isika hianatra hampiaraka ny vavaka amin’izay rehetra ataontsika, amin’ireo toejavatra rehetra mitranga eo amin’ny fiainantsika. Raha toa isika maharay fonosana tsy hay vahana na tsy hay tapahina ny tadiny, dia manana zo hangataka an’Andriamanitra mba hanampy antsika. Tsy misy zavatra hoe kely loatra ka tsy azo entina am-bavaka ; ary tia antsika ny Tompo Jesosy, ka mikarakara izay rehetra mahakasika antsika. Ry tanora malala, raha vao manomboka miditra eo amin’ny fiainana kristiana ianao, dia matokia an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra, am-pahatsorana toy ny zaza. Raiso ho toy ny namana akaiky anao indrindra ny Tompo Jesosy, ka antsoy Izy amin’ny trangan-javatra rehetra…
Ny fiainan’ny zanak’Andriamanitra dia feno zavajavatra kely tsy dia misy dikany, feno zava-manahirana kely, feno zava-tsarotra kely. Ho sanganehana mandrakariva isika, raha ny hery sy fahendrentsika manokana no entintsika miady ; fa raha apetratsika eo am-pelatanan’Andriamanitra kosa izany rehetra izany, dia hanampy antsika Izy, ka hazava ny lalantsika. Toy izany no hahafahan’ny fiainantsika manontolo hizotra am-piadanana, amin’ny alalan’ny vavaka.”
(rahampitso ny tohiny)