Alarobia 10 Febroary 2021
Jesosy namaly ka nanao taminy hoe : Manàna finoana an’Andriamanitra. Marka 11:22
Raha manana finoana ohatra ny voantsinapy iray aza ianareo… dia… tsy hisy tsy ho hainareo hatao. Matio 17:20
Nisy kapitenin-tsambo kristiana iray nitondra an’i George Müller tao an-tsambony. Hoy izy mitantara :
„Nandritra ny andro maromaro ny sambonay no tafahitsoka tanaty zavona matevim-be tsy nifankahitana, tsy nisy tsio-drivotra na kely aza. Nankao amin’ny efitro Atoa Müller, niteny tamiko hoe :
— Kapiteny ô, tsy maintsy tonga any Québec aho amin’ny asabotsy hariva.
— Tsy ho tratra izany, hoy aho namaly.
— Hay ! Raha tsy afaka hitondra ahy ny sambonao, dia hanome ahy fomba hafa hitondrana ahy Ilay Andriamanitra efa fantatro nandritra ny 57 taona. Tsy namela ahy tsy ho tonga na ho tara amin’ny fotoana nomeko mihitsy Izy.
— Fantatrao ve ny hatevin’io zavona io ?
— Tsia, tsy ny zavona no hitako, fa Ilay Andriamanitra velona mitantana ny fiainako manontolo.
Dia nandohalika izy ary nivavaka : ”Tompo ô, raha sitrakao, dia ataovy levona ao anatin’ny dimy minitra io zavona io. Fantatrao fa nampanantena ny ho tonga any Québec amin’ny asabotsy aho. Mino aho fa sitraponao izany„. Rehefa avy nivavaka izy, dia saika hivavaka ihany koa aho, nefa napetrany teo an-tsoroko ny tanany ary nangatahiny aho tsy hivavaka, sady hoy izy nanazava : ”Voalohany indrindra, tsy mino ianao fa hanao izany Andriamanitra, ary faharoa, fantatro fa efa nataon’Andriamanitra izany. Koa tsy ilaina intsony ny mbola hivavahanao ho an’izany. Ry kapiteny, hatramin’ny nahafantarako ny Tompoko, dia tsy nisy andro iray tsy nihaonako taminy, Izy Ilay Mpanjakako. Mitsangàna ianao, kapiteny, miakara any an-tokotanin-tsambo, dia ho hitanao fa efa nisava ny zavona„. Nankany aho… efa nitsoka ny rivotra, efa nisava ny zavona. Dia tody tany Québec i George Müller ny asabotsy hariva.”