Alakamisy 11 Febroary 2021
Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin’ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy…, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo. Hebreo 4:12
Ny teninao no mamelona ahy. Salamo 119:50
„Fetin’ny mpifankatia tamin’izay, taona 1974. Tao an’efitranoko aho ny harivan’io, tany amin’ny tranon’ny mpianatry ny oniversite, no tonga ilay namako akaiky ahy indrindra, niaraka tamin’ny olon-tiany, izay lasa vadiny ankehitriny. Nilaza tamiko izy ireo hoe tonga kristiana. Taitra mafy aho, ary nihevitra fa nambakaina sekta izy ireo… Tsy dia fantatro loatra izay ninoako, tamin’izany fotoana izany. Vita batisa aho, ary natao konfirmasiona, saingy tsy nisy dikany firy izany, tamiko. Nanatrika tsy tapaka ny fotoam-pivavahana aho, tany an-tsekoly, ary nanaraka fampianarana Baiboly. Nony farany anefa dia nolaviko avokoa izany rehetra izany, ary nanana lahakevitra noheveriko ho mafy orina mihitsy aza aho, hanoherako ny fivavahana kristiana.
Te hanampy ireto namako àry aho. Nihevitra aloha aho hanao fikarohana lalina momba ny fivavahana kristiana. Nikasa hamaky ny Korano aho, mbamin’ireo asasoratr’i Karl Marx, ny an’i Jean-Paul Sartre ary ny Baiboly. Ary satria aho nanana Baiboly rakotra vovoka teo ambony talantalana, dia nanomboka namaky azy, ny harivan’io. Novakiko manontolo ny Matio, Marka, Lioka, ary raiki-tory aho teo am-pamakiana ny antsasaky ny Filazantsara nosoratan’i Jaona. Rehefa nifoha aho dia namarana izany, avy eo namaky ny Asan’ny Apostoly, ny epistily ho an’ny Romana ary ny epistily roa ho an’ny Korintiana. Nahaliana ahy fatratra izany vakiteny izany. Taloha dia tsy nanaitra ahy akory ireo lahatsoratra ireo, fa tamin’ity indray mitoraka ity kosa dia feno aina izy ireo, ka tsy nahajanona tsy hamaky intsony aho. Niaiky tato anatiko lalina aho fa ny fahamarinana no nambaran’izy ireo. Ary tsy maintsy manapa-kevitra aho, satria nampandini-tena ahy mafy ireo lahatsoratra ireo. Fotoana fohy taorianan’izany aho dia nametraka ny finoako tamin’i Jesosy Kristy.”
Nicky Gumbel