Zoma 12 Febroary 2021
(Hoy Jesosy :) Izaho tonga amin’izao tontolo izao ho fahazavana, mba tsy hitoetra ao amin’ny maizina izay rehetra mino Ahy… Fa tsy tonga hitsara izao tontolo izao Aho, fa hamonjy izao tontolo izao. Jaona 12:46, 47
Olona noarìna aho,
Tsy hoe tsy fanta-piaviana.
Olona tiana aho,
Tsy hoe tsy misy fitodiana.
Misy dikany ny fiainana !
Eto amin’ity tontolo midadasika ity, izay amirapiratan’ny hazavana,
Ahy ny toera-midadasika ;
Mitantana ahy Andriamanitra
Ary finaritra ny fanahiko noho ny fitiavany.
Mitsiky amin’ny andro aho,
Miposaka izy ary mampitony ahy,
Satria midify ho mandrakizay
Ilay nofy izay
Mbetika mampisy tafiodrivotra,
Mbetika mampifoha ny tahotro.
Triatra toy ny voro-damba mivelatra ny zavona,
Ka vetivety foana dia misava.
Misy hazavana mahatsara
Miditra hatrato anaty foko lalina ato ;
Misy hira manako ao amin’ny alina !
Mahagaga ny feon’Ilay
Mampaneno ny tadim-peon’ny fitiavana !
Nanolotra ny ainy ny Mpamonjiko, satria nitia ahy ;
Maty teo amin’ny hazofijaliana Izy mba hanaisotra ny fahotako.
Ry sakaiza ! Manatòna Ilay mijoro eo amin’ny sampanan-dalanao
Ka manolotra ho anao ny famonjeny !
Nitia anao Izy, nitady anao, nahita anao, namonjy anao.