Asabotsy 13 Febroary 2021
Ny anaran’i Jehovah dia tilikambo mafy ; ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy. Ohabolana 18:10
Izay rehetra miantso ny anaran’ny Tompo no hovonjena. Romana 10:13
Izany no fiandohana tononkalo iray nosoratan’i Lydia Baxter, vehivavy anglisy narary nandritra ny androatokom-piainany. Tsy nahavono na oviana na oviana ny fifaliany anefa ny aretiny, fa mifanohitra amin’izany aza : nitondra fampaherezana mandrakariva ho an’ny manodidina azy i Lydia. „Manana fiarovana miavaka indrindra aho, hoy izy tamin’ireo namany : manana ny anaran’i Jesosy. Rehefa alaim-panahy ho kivy aho, dia miantso ny anaran’i Jesosy ; dia misinda ny alahelo.”
Aminy, ny hoe mitondra ny anaran’ny Tompo miaraka amin’ny tena, dia voalohany indrindra, matoky Azy mba ho famonjena ny fanahiny, mino fa ny fahafatesany teo amin’ny hazofijaliana no nampitony ny fahatezeran’Andriamanitra, fahatezerana ara-drariny nitambesatra tamin’i Lydia noho ny fahotany.
Manaraka izany dia miantehitra amin’ny Tompo eo amin’ny fiainana andavanandro, mianatra mivavaka aminy, mangataka ny famindrampony. Ilay jamba tao Jeriko ve (Marka 10:46-52), na ireo boka folo lahy (Lioka 17:12-19), nanampo fa hisy fiantraikany teo amin’ny fon’i Kristy ny niantsoan’izy ireo ny anarany ? „Raha mangataka zavatra amiko amin’ny anarako ianareo, dia hataoko izany” (Jaona 14:14).
Eny, ry Tompo, ampianaro aho hitondra ny anaranao miaraka amiko, hametraka ny fiainako —lasa, ankehitriny ary ho avy- eo am-pelatananao. Tena lehibe lavitra noho izaho Ianao, tia ahy Ianao ary mihazona ny fiainako manontolo eo an-tananao !
Anaran’i Jesosy, anaran’ny fanafahana ahy,
Eny, anarana isaorana, mamonjy ny mpanota,
Anaran’ny fiitiavana sy anaran’ny fanantenana,
Tsy misy mamy na malala mihoatra azy, ho an’ny foko.