Alahady 14 Febroary 2021
[Jesosy] nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon’ny herin’ny devoly. Asan’ny Apostoly 10:38
Ary nony marainakoa dia nankeo an-kianjan’ny tempoly indray Jesosy, ary ny vahoaka rehetra nanatona Azy, dia nipetraka Izy ka nampianatra azy. Jaona 8:2
Tsy nisy mihitsy, teto an-tany, olona nanana fandavantena lehibe noho ny an’i Jesosy. Feno fangoraham-po Izy, ka tsy nety sasatra nijery ny fijalian’ireo izay nifanena taminy. Na oviana na oviana Izy tsy mba nihevitra ny tenany, na izay hahametimety ny fiainany, na ny hasasarany. Afaka nanatona Azy na iza na iza, na andro na alina, tsy nisy nolaviny :
— Nandray mpitondra fivavahana iray nanatona Azy tamin’ny alina Jesosy. Namaly ny fanontaniany Izy ary nampianatra azy zavatra mahatalanjona (Jaona 3).
— Nipetraka teo amorona fantsakana iray Jesosy tamin’ny mitataovovonana, satria nahafantatra fa hisy vehivavy manana fo mangetaheta hanatona eo, hilazany hafatra mitory famonjena (Jaona 4).
— Indray hariva efa avy nanao asa maro Jesosy ny tontolo andro, dia mbola nitondrana olona marary sy olona azon’ny demonia ho eo aminy. Tsy nety sasatra Izy nandroaka ny fanahy ratsy, nanasitrana ny marary, nandray izay rehetra nila Azy (Matio 8).
— Niverina avy nanatanteraka asa nanirahana azy ireo ny mpianatr’i Jesosy, ary nanana zavatra maro hotantaraina Azy. Nasainy niaraka taminy ho any amina toerana mangina izy ireo mba hiala sasatra kely, nefa nahalala ny toerana halehan’izy ireo ny vahoaka ka nialoha azy tany. Tsy nanilika ireo vahoaka ireo Jesosy, mba ho afaka miala sasatra kely, fa nandray azy rehetra ireo sy namahana azy, satria onena azy ireo, izay „tahaka ny ondry tsy manana mpiandry” (Marka 6).
Tsy mba nataon’i Jesosy tsinontsinona, na oviana na oviana, ny fijaliana sy ny filàna maro samihafa nananan’ireo izay nifanena taminy. Feno fandavantena mandrakariva Izy, ary nanana havaly ho an’ny tsirairay. Izy irery no nahatanteraka ilay didy ao amin’ny Lalàna hoe : „Tiava ny namanao tahaka ny tenanao” (Levitikosy 19:18).