Alatsinainy 15 Febroary 2021
Fa satria nalaim-panahy ny tenany tamin’ny fahoriana nentiny, dia mahavonjy izay alaim-panahy koa Izy (Jesosy). Hebreo 2:18
Ory ianao, toa tsy tantinao ny fiainanao. Namoy havana angamba ianao, na azon’aretina, na tojo tsy fahombiazana, na nilaozana ? Mahatsiaro tena ho irery ianao… hany ka ny fahafatesana angamba no manintona anao, satria hitanao ho lalan-kivoahana.
Ao anatin’ny fahorianao, dia mba te hilaza teny mitondra fanantenana ho anao aho : tiana ianao ! Manaiky hotiavina ve ianao —amin’izao toetranao ankehitriny izao- hotiavin’Ilay nanolotra ny ainy ho anao ? Jesosy no anarany !
Hilaza ianao hoe : „Efa maty Jesosy !”. Eny, marina izany. Saingy efa nitsangana tamin’ny maty koa Izy, ary velona mandrakizay. Ankehitriny, amin’izao fotoana izao, dia afaka miresaka aminy ianao. Hihaino anao Izy. Mitodiha aminy am-patokiana tanteraka, ambarao Azy ny fijalianao, ny zavatra rehetra iainanao. Antsoy Izy hamonjy anao… Izany no ho vavakao. Ho takany izay manjo anao, ka hamaly anao Izy. Tena akaiky anao Jesosy, akaiky noho ny olona hafa rehetra, satria Andriamanitra Izy. Afaka mampionona anao Izy, ary te hampionona anao. Rehefa miaraka amin’i Jesosy ianao, dia misy dikany ny fiainanao, tsy rano indray mitete ao anaty ranomasibe tsy akory, fa zava-tsarobidy aminy. Tia anao Izy, te hamonjy anao, ary te hanome fanantenana anao. Na mbola hampijaly anao ihany azy ny toejavatra sasany, dia hanam-piadanana ianao.
Velona mandrakizay Izy, ary Andriamanitra Tsitoha ;
Hamaly anao Izy, manatòna Azy tsotra fotsiny.
Na dia toa maizina aza ny zavatra rehetra, mampalahelo sy mandiso fanantenana,
Fantatrao ve fa tsy hadino ianao any ambony any ?
Fantatr’Andriamanitra tsara izay toa mavesatra aminao,
Izay maharary anao, manahirana anao isanandro.
Fantany izay ilainao, ny fahatahoranao ny ampitso ;
Hitanao ? rehefa miaraka amin’Andriamanitro, dia hilamina tsara ny zava-drehetra !