Talata 16 Febroary 2021

Raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao ianao, ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao. Romana 10:9

Na iza na iza manaiky fa Zanak’Andriamanitra Jesosy, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy kosa ao amin’Andriamanitra. 1 Jaona 4:15

 

Raha miaiky ireo fahadisoanao ianao

Tsy nahita hatao i Saholy ka naka boky iray kisendrasendra, ary namaky tantara fohy, tantara nanovan’i Jesosy fiainan’olona maro. Nanintona ny sainy ireo tantara ireo, saingy nanelingelina azy ny famaranana ilay boky, hoe : „Maty ho anao Jesosy. Raha miaiky ireo fahotanao ianao ary mino Azy, dia ho voavonjy.” Tsy natao ho ahy izany ! hoy izy, nanakatona ilay boky.

Na izany aza anefa dia nihodinkodina tao an-tsainy ilay fehezanteny : „Raha miaiky ireo fahotanao ianao, ary mino an’i Jesosy…”

Niverina nieritreritra ireo fahadisoana vitany izy, ary te hanala izany tao amin’ny fieritreretany. Nahatsiaro tena ho meloka sy manirery aoka izany izy. Nitady hiaina tsy misy an’Andriamanitra izy, nefa izao miharihary eo anatrehany ireo fahotany, toa takelaby lehibe misy soratra hoe : lalana tampina !

Koa dia niaiky ho resy i Saholy : Tsy manan-tsafidy aho, tsy maintsy milaza amin’Andriamanitra ny nataoko. Dia sambany teo amin’ny fiainany izy, ny harivan’io, no nivavaka.

Ny ampitso, nandeha niasa izy, feno tsiky sy maivamaivana.

— Inona ity mahazo anao ? hoy i Liza, namana kristiana iray, raha vao nahita azy.

— Tsy misy na inona na inona ka !

— Tsia, fa tena nisy zavatra nitranga mihitsy, niova ianao !

Nahatsiaro indray ny zavatra nitranga omaly i Saholy. Notantarainy ny fomba niresahany tamin’Andriamanitra.

— Tena mahafinaritra izany ! hoy i Liza, sady namihina azy. Henon’Andriamanitra ny vavakao, dia namaly anao Izy.

Eny, nanova an’i Saholy Andriamanitra, na dia tsy tena tsapany tanteraka aza izany. Nanomboka tamin’izay dia niova tanteraka ny fiainany, ary hiseho amin’ireo taona nanaraka ny hatanjaky ny finoany.