Alarobia 17 Febroary 2021
Inona no mety hataoko, mba hovonjena aho ? Asan’ny Apostoly 16:30
Fa fahasoavana no namonjena anareo, amin’ny finoana ; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra. Efesiana 2:8
Taloha elabe dia nisy mpitoriteny iray nanambara ny Filazantsara nandritra ny hariva maromaro nisesy, tao amina kianja mitafo. Tamin’ny farany, rehefa noravana ilay tafo, ary nalana ny tsatòka farany, dia nanatona ity olona iray, nanontany azy izay tokony hataony mba ho afaka amin’ny fahamelohany. Izao no valinteny azony :
— Malahelo aho milaza aminao fa tara loatra ianao.
— Ahoana hoe ! Tara loatra ve, hoy ianao, satria efa tapitra ny fivoriana ?
— Tsia, ny tiako holazaina dia hoe tara loatra satria efa vitan’i Jesosy avokoa ny zavatra rehetra.
Dia nohazavain’ilay mpitoriteny taminy ny fomba nahazoan’i Jesosy famonjena lavorary ho azy.
Talohan’ny nahatongavan’i Kristy tetỳ an-tany, dia nanana taonjato maro ny olona mba „hanaovany ny famonjeny” amin’ny heriny samirery. Nomen’Andriamanitra azy tamin’ny alalan’i Mosesy ny Lalànany ; avy eo Andriamanitra naniraka mpaminany maro mba hampahatsiahy azy ny adidiny. Nefa tsy nisy olona nahavita nanaraka antsakany sy andavany ireo didin’Andriamanitra. Efa fantatr’Andriamanitra mialoha izany, saingy tiany naseho io tsy fahavitan’ny olona manaraka ny sitrapon’Andriamanitra io. Ary tamin’ny fotoana notendreny, dia nirahiny ho etỳ an-tany Jesosy Kristy Zanany mba hanatanteraka, amin’ny fomba lavorary sy indray mandeha tsy miverina, ny asa nilaina hahavoavonjy antsika.
Tsy misy na inona na inona hatao mba hahavoavonjy, afa-tsy ny mino fotsiny hoe Jesosy efa nanatontosa ny zavatra rehetra. Tsotra loatra izany, hoy angamba ianao ? Tsia, tsy mora tsy akory ny miala amin’ny hambompo, ny mahatsapa fa tsy mahavita na inona na inona, ka manaiky am-pahatsorana ny famelan-keloka maimaimpoana !
Nefa dia izany no hany lalana, satria „tsy misy famonjena amin’ny hafa” (Asan’ny Apostoly 4:12).