Alakamisy 18 Febroary 2021

Ary nitantana ilay jamba Izy (Jesosy) ka nitondra azy teny ivelan’ny tanàna ; ary… napetrany taminy ny tànany, dia nanontaniany hoe izy : Mahita zavatra va ianao ? Dia niandrandra ralehilahy ka nanao hoe : Mahita ny olona aho : fa toa hazo ny fijeriko azy, saingy mamindra. Dia napetrany tamin’ny masony indray ny tànany, dia nibanjina ralehilahy ka nahiratra tsara, ary hitany miharihary ny zavatra rehetra. Marka 8:23-25

 

Jamba ara-panahy

„Taona vitsivitsy lasa izay, tsy mba nanana soridalana hitondrana ny fiainako aho, toy ny jamba tsy afa-mandroso. Izay tiako no nataoko. Vita batisa aho, ary nampatoky ahy izany. Nefa mbola nikorontana tanteraka hatrany ny fiainako, ary maro ny fahadisoam-panantenana nahazo ahy. Niova kosa izany toejavatra izany, rehefa nisy namana iray nanome ahy Testamenta Vaovao sy nilaza tamiko fa ratsy ny toetran’ny olona rehetra. Liana aho ka namaky, ary nahita ny fiainana masina nananan’i Jesosy, fiainana feno fitiavana lavorary. Mifanohitra tanteraka amin’ny ratsy nitoetra tato anatiko ! Ambaran’ny filazantsara efatra fa maty teo amin’ny hazofijaliana Jesosy, ary nitsangana tamin’ny maty, mba hanome fiainam-baovao ho an’ireo izay mino Azy.

Fifaliana toa inona moa ny ahy ! Toy ilay jamba lazain’ny andinin-tSoratra masina omena androany, dia niaiky ny toetrako anaty aho, nankafy ny fitiavan’i Jesosy sy ny fikarakarany. Napetrany tamiko ny tanany, ary nositraniny tamin’ny fahotako aho.

Ry sakaiza, isika rehetra dia samy mila fifandraisana manokana amin’i Kristy. Manana io fifandraisana io isika, ankehitriny, rehefa mamaky ireo filazantsara. Ndao hihaino ny tenin’i Jesosy. Ndao hanatona Azy, amin’izao maha isika antsika izao.

Sitrana ilay jamba, saingy tsy tena nahita mazava tsara tamin’ny voalohany : „toa hazo… mamindra” no fahitany ny olona. Manahirana antsika indraindray ny hitoky tanteraka amin’i Kristy. Misy fiantraikany amintsika ny olona manodidina antsika, ny heviny, ny maha lehibe azy. Mitsapatsapa isika. Mahari-po ny Mpamonjintsika. Manatona antsika Izy, rehefa mifantoka kokoa isika mamaky ny Baiboly. Koa dia mitombo ilay fiainam-baovao nomeny antsika. Hitantsika mazavazava kokoa ny fitiavany, ny tambitambiny ; ary ny marina, satria Izy Kristy no fahamarinana. Hanjary mpitarika ny diantsika Izy.”

Thierry