Zoma 19 Febroary 2021

Aminao, Jehovah ô, no anandratako ny fanahiko. Andriamanitro ô, Ianao no itokiako. Salamo 25:1, 2

Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ka ampianaro ; fa Ianao no Andriamanitry ny famonjena ahy ; Ianao no andrasako mandritra ny andro. Salamo 25:5

 

Misy mpanelanelana sa mivantana ?

Kristiana aho, ary mamaky fanadihadiana manazava ny Baiboly. Mihaino fitorian-teny aho ary manaraka toriteny ao amin’ny „internet”. Nefa ve aho mba mamaky Baiboly ? Vonona ve aho hihaino izay tian’Andriamanitra holazaina amiko mivantana amin’ny Teniny ?

Itokisako ny lazain’ny pasitera momba an’i Jesosy, momba ny famonjena, momba ny fiangonana. Nefa ve aho mba manamarina raha mifanaraka amin’izay no soratan’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly ny lazain’ny pasitera ?

Manao „Amena” amin’ny vavaky ny hafa aho. Nefa ve aho rehefa irery, mba mivavaka amin’ny fiteniko manokana, mba miresaka tsy misy mpanelanelana amin’Andriamanitra ?

Mangataka torohevitra amina namana mpino aho, mba hanampiany ahy amin’ireo safidiko. Nefa ve aho mba mangataka mivantana amin’Andriamanitra, mba hanoroany ahy ny sitrapony ?

Mihaino hira kristiana amin’ny kapila mangirana aho, manatrika rindran-kira fiderana. Nefa ve aho mba mihira ho an’Andriamanitra ihany indraindray ?

Maka aingam-panahy avy amin’ny fiainana mpitarika kristiana nanokana ny fiainany ho an’i Jesosy aho, ary miezaka hanao toa azy. Nefa ve aho mba mikaroka ao anatin’ireo filazantsara hoe ahoana ny fiainan’ny Tompo ? Izaho ve mba miezaka hanao toa Azy, Ilay ohatra lavorary ?

Milaza ny fahoriako sy ny fijaliako amin’ireo olona akaiky ahy aho, amin’ireo izay afaka mahatakatra ny zavatra iainako. Nefa ve aho mba manambara amin’ny Tompo izay zavatra tsapako, ny fangirifiriako, ny tahotro, ny fisalasalako ? Mety ho tahaka ahy angamba ianao, mety manadino mora foana hoe afaka manatona an’i Jesosy tsy misy mpanelanelana isika. Tombontsoa lehibe ny fananana rahalahy sy anabavy ao amin’ny finoana, afaka miara-mivavaka amintsika sy mampianatra antsika. Nefa rehefa mifandray mivantana amin’Andriamanitra, dia mankeo amin’ny loharano : eo ny rano no madio indrindra.