Asabotsy 20 Febroary 2021
Ny mpamafy dia mamafy ny teny. Marka 4:14
Ny voa dia ny tenin’Andriamanitra. Lioka 8:11
Izaho namboly… fa Andriamanitra no nampitombo… Fa mpiara-miasa amin’Andriamanitra izahay. 1 Korintiana 3:6-9
Mitantara ity kristiana iray :
„Nandritra ny taona maro dia nanana sary lehibe nataona namana iray aho, tao amin’ny biraoko. Sarina mpamboly iray mamafy izany, misy soratra hoe : „Tsy afaka manantena hijinja na inona na inona isika, raha tsy mamafy”.
Nanjary nibahana tao an-tsaiko izany fahatsapana izany, izay mazava ho azy ho ana mpamboly. Nampiasain’ny Tompo izany mba hampirisihany ahy hiara-miasa aminy hitory ny Filazantsara.”
Manamafy ny hafatra nentin’ilay sary ireo andininy nomena antsika androany. Ry namana kristiana, rehefa lazain’Andriamanitra isika hoe mpiara-miasa aminy, dia voninahitra omeny antsika izany, nefa koa andraikitra ankininy amintsika. Tsy ny hivavaka fotsiny mba hanofanan’Andriamanitra misionera no andrasany amintsika, fa isika tsirairay no ilazany hoe : „Ataovy ny asan’ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao” (2 Timoty 4:5). Ny voa afafy, dia Izy no manome izany antsika. Ny voa afafy dia ny Teniny, izany hoe Jesosy Kristy. Ny hoe mamafy dia ny miresaka Azy amin’ireo manodidina antsika, mizara ny tsiambaratelon’ny fiadanantsika sy ny fahasambarantsika. Tsy afaka manao mihoatra noho izany isika, Andriamanitra irery ihany no mahay mampitsimoka ny voa. Aoka isika hatoky Azy, satria Izy dia „tia ny olona rehetra hovonjena” (1 Timoty 2:4).
Ndao isika hamafy araka izay azontsika atao, eto amin’ity saha midadasika antsoina hoe izao tontolo izao ity. Tsy ho ela dia ho gaga isika, any an-danitra, mahita ny hagoavan’ny vokatra nojinjaina.