Alahady 21 Febroary 2021
Fa Kristy aza tsy nitady izay hahafaly ny tenany ; fa araka ny voasoratra hoe : „Ny latsa nataon’izay nandatsa Anao dia nihatra tamiko”. Romana 15:3
Ny vavolombelona marina mamonjy ain’olona ; fa izay mamoaka lainga dia tena fitaka. Ohabolana 14:25
Jesosy dia feno fahamoram-panahy sady nahatoky tanteraka teo anatrehan’Andriamanitra. Tsy mba nandokadoka olona Izy, na nandositra rehefa tokony hiteny mafy, na rehefa nilaina ny nanome tsiny. Na oviana na oviana Izy tsy mba nanalefadefaka ny marina, mba hampifanaraka izany amin’izay eken’ny besinimaro, na mba hisorohana ny fahate zeran’ny olona. Ny teniny tsy hafa noho ny eritreriny (Salamo 17:3) : nifanaraka tsara ireo.
Ny toetra mahatoky nananan’i Jesosy dia fanehoana ny fitiavany an’Andriamanitra sy ny olona. Tsy nitady izay hahafinaritra ny hafa Izy, na ny halaza, fa ny fankasitrahan’ny Rainy ihany no zava-dehibe taminy :
— Rehefa hitany ny varotra natao tao amin’ny tempoly, izay tranon’ny Rainy, dia nazerany ny latabatry ny mpivarotra. Feno hafanam-po Izy, ka nametraka ny voninahitr’Andriamanitra ho alohan’ny zavatra rehetra (Marka 11:15-17).
— Nomeny tsiny mafy ny fihatsarambelatsihy sy laingan’ireo mpitarika ara-pivavahana (Matio 23), ka nahatonga azy ireo hitsikera Azy.
— Rehefa nitady hisakana Azy tsy handeha amin’ny lalan’ny fijaliana i Petera, dia notoheriny mafy, satria tena nilaina ny hahafatesany, ho voninahitr’Andriamanitra sy ho famonjena ny olona (Matio 16:21-23).
— Rehefa manome tsiny ny mpianany Izy, dia mba hamelombelomany ny finoan’izy ireo, izay narefo, sy mba hampahafantarany fa afaka miantehitra aminy mandrakariva izy ireo.
Farany dia nohomboan’ny olona teo amin’ny hazofijaliana io vavolombelona mahatoky io, satria nanelingelina azy ireo. Fa Andriamanitra kosa nanangana Azy tamin’ny maty sy nanome voninahitra Azy.
(rahampitso ny tohiny sady farany)