Alatsinainy 22 Febroary 2021

Teo amin’izao tontolo izao Izy, ary Izy no nanaovana izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao tsy nahalala Azy. Tonga tany amin’ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy. Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany. Jaona 1:10-12

 

Jesosy — fehiny (9)

Jesosy dia lehilahy tsy nanana ota, nanatanteraka mandrakariva ny sitrapon’Andriamanitra, natoky Azy mandrakariva na inona na inona trangan-javatra. Nanana fo manetry tena Izy, nilaza ny marina, na inona na inona mety ho vokatr’izany. Feno fandavantena tamin’ny olona rehetra Izy, ary tsy mba nihevitra ny tenany mihitsy, sady nankatò hatramin’ny fahafatesana. Ireo dia toetra vitsivitsy nananan’i „Kristy Jesosy, Izay olona” (1 Timoty 2:5).

Fa iza moa Jesosy, io olona tsy manam-paharoa io ? Nohomboana teo amin’ny hazofijaliana Izy, nefa dia tokana aman-tany koa ny fahafatesany, fa rakotra haizina ny tany tamin’ny mitataovovonana, tamin’ny naha teo amin’ny hazofijaliana Azy. Ary nivoaka ny fasana Izy telo andro taorianan’izany, dia niakatra any an-danitra ! Voaporofon’ny zava-drehetra fa tetỳ an-tany Izy dia „Andriamanitra… naseho teo amin’ny nofo” (1 Timoty 3:16), ary „nanehoana ny fitiavan’Andriamanitra antsika : Andriamanitra naniraka ny Zanany Lahitokana tamin’izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ny alalany, … ho avotra noho ny fahotantsika” (1 Jaona 4:9, 10). Hoy Jesosy : „Fa izao no sitrapon’ny Raiko, dia ny hahazoan’izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay” (Jaona 6:40).

Ho hay atao ve ny mamadika ny pejy ka tsy hiaiky fa Izy no Ilay Tompo Jesosy ? ho hay atao ve ny tsy hino Azy mba ho voavonjy ? Izy no Ilay „Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy” (Titosy 2:13).

(tapitra)