Talata 23 Febroary 2021

Aloka tokoa no fandehandehan’ny olona ; zava-poana tokoa no itabatabany. Salamo 39:6

(Hoy Jesosy :) Izaho avy mba hananany (hananan’ny ondriny) fiainana, sady hananany be dia be. Jaona 10:10

 

Ny „lalao video” sa ny tena fiainana ?

Fatra-pitia „lalao video” ilay zafikeliko lahy ; fantany anefa fa tsy tokony hanao tsirambina ny fianarany izy, ka hilona elabe ao anatin’io tontolo foronina manintona io. Nefa dia tanora an’arivony no mamela ny „lalao video” hibahana ny ankabetsahan’ny fotoanany : tafasaraka amin’ny zavamisy izy ireo, miditra ao anaty tontolo foronina, manao ny tenany ho mahery fo sy mampatahotra, ary manana fahefana mahagaga toy ireo hita ao amin’io tontolo an-tsaina io. Hita matetika ao ny herisetra, ary ny fahafatesana dia manjary tranga mandalo tsy misy dikany akory, ary arahina „fiainana” iray hafa eo no ho eo. Tandremo anefa : loza tena misy no ao ambadik’izany toa fialamboly tsotra fotsiny izany. Mpanabe maro no mihevitra fa mety mandoza ny ankamaroan’ireny lalao ireny, mitarika ny sasany hanadino tanteraka ny zavamisy, manjary afangarony amin’ny zavatra foromporonina. Maro ny mpandinika fiarahamonina manahy noho izany, tsy misalasala milaza izany ho fiankinan-doha mampidi-doza.

Ry tanora kristiana namana, miambena ianareo. Fantatsika rehetra fa mora kokoa ny manokatra lalao iray eo amin’ny solosaina na finday, noho ny mandao izany ! Aza mandanilany fotoana ! Andriamanitra dia mitaona antsika ho amina „fiainana… be dia be”, miroborobo lavitra, miorina ao amina fifandraisana mafy aminy, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny famakiana ny Baiboly, fiainana mivelatra ao anatin’ny zavamisy. Hevero ny torohevitra nomen’ny apostoly Paoly an’i Timoty zanany ara-panahy, hoe : manaova soa, mba hanankarena amin’ny asa tsara, ka hihary fanorenana tsara ho amin’ny andro ho avy, mba hihazona „ny tena fiainana” (1 Timoty 6:18, 19).