Alarobia 24 Febroary 2021

Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika ? Izay tsy niaro ny Zanany lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy homeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra ? Romana 8:31, 32

 

Miandany amiko Andriamanitra

Andriamanitra dia fitiavana, ka tia ahy amin’izao maha izaho ahy izao, ary mikarakara ahy am-pitiavana sady tsy mba miovaova.

Andriamanitra Avo indrindra Izy, ka manjaka amiko tsy tapaka ny fitiavany sy ny hamoram-pony, manjaka amiko mandrakariva, na aiza na aiza.

Andriamanitra dia hendry, ka mahafantatra tsara kokoa noho izaho izay ilaiko.

Andriamanitra dia fahazavana, ka manazava ireo efitrefitra maizina eo amin’ny fiainako, ary mampirindra azy ireo amin’ny maha Andriamanitra Azy.

Andriamanitra mahalala ny zavatra rehetra Izy, ka mahafantatra hoe aiza ho aiza aho, eo anatrehany. Fantany ireo filana ao anatiko, ireo fanahiako, ireo alaheloko, mialoha lavitra ny hahatsapako azy ireo.

Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra Izy (Andriamanitra Tsitoha), ka miaro ahy ao amin’ny toejavatra rehetra. Mahay manafaka ahy amin’ny fakam-panahy Izy, na avy aiza izy ireny na avy aiza, ary mampandresy ahy.

Andriamanitra manerana ny toerana rehetra Izy, ka eo amin’ny toerana misy ahy indrindra ankehitriny, ary miteny amiko hoe : „Mahereza tsara, fa eto Aho, ary takatro ny ratra mahazo anao eo amin’ny fiainanao ; tsy Izaho ve no manome anao ny fahatoniana, ny fiadanana ary ny fifaliana ? Eny, akaiky dia akaiky anao Aho, eto anilanao”.

Andriamanitra dia mpamindra fo, ka manome tsy misy tambiny, fa faly kosa mahita ahy mankasitraka ireo fitahiana atolony ahy.

Mitsahara ianao, Andriamanitra tsy manadino anao na oviana na oviana,

Ary efa akaiky ny fotoana hiavian’i Jesosy.

Ho takatrao ireo alahelo teo amin’ny fiainanao,

Ary ho hitanao fa naniry hitahy anao Izy.

Eny ! Aoka anie ny finoanao hanome haja sy voninahitra

Ilay Andriamanitra tia anao ho amin’ny hoavy tsy hita fetra.