Alakamisy 25 Febroary 2021
(Hoy Jesosy :) Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo, mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo. Matio 5:44, 45
Ny Fanahy Masina, Izay nomena antsika, no nentiny nampidina ny fitiavan’Andriamanitra ho ao am-pontsika. Romana 5:5
„Tia ny fahavalo… tsy zavatra mora izany. Isika dia manana fironana tsy ho tia ireo izay manao ratsy antsika. Ary ny tsara indrindra vitantsika dia ny tsy miraharaha azy ireo. Zavatra hafa anefa no angatahin’Andriamanitra hataontsika. Tiany isika hanao soa amin’ireo izay mankahala antsika, hivavaka ho an’ireo izay manenjika antsika. Toa tsy ho haintsika atao mihitsy izany. Raha mivavaka ho an’olona iray isika, izany tsy akory tsy midika hoe mankasitraka ny zavatra ataony isika. Tsy ankasitrahintsika ny fitondrantenany, nefa mila an’Andriamanitra izy. Noho izany dia tokony hivavaka ho azy isika, ary hampiseho aminy ny fitiavan’ny Tompo.
Jesosy dia milaza amintsika mba hitia ny fahavalontsika. Nefa na oviana na oviana isika, raha ny tenantsika manokana, tsy hanana faniriana na hery hitiavana fahavalo. Mifanohitra amin’ny toetrantsika mantsy izany.
Aiza no hahitana olona afaka manao izany, eto amin’izao tontolo izao ? Tsy misy, raha tsy eo amin’izay tsy an’izao tontolo izao intsony, fa efa an’ny fanjakan’Andriamanitra.
Ao amin’i Kristy, Izay namela heloka antsika voalohany, ary ao aminy irery ihany, no ahafahantsika manana hery hanatanterahana fihetsika tsy mahazatra, toy ny hoe manoroka fahavalo, mitia ireo izay mankahala antsika, mivavaka ho an’ireo izay manenjika antsika, mitsodrano ireo izay manozona antsika.
Ary amin’izany, amin’ny alalantsika Andriamanitra dia mety hikasika ireny fo mafy ireny, mba hahafahan’izy ireny mahita ny famelan-keloka omen’i Kristy sy mandray ny fiainana mandrakizay.”
Constantin Caraman (Roumanie), nogadraina intelo