Zoma 26 Febroary 2021
Dia hoy Jesosy : Izaho koa dia tsy manameloka anao ; mandehana, ary amin’izao sisa izao dia aza manota intsony. Ary Jesosy niteny tamin’ny olona indray ka nanao hoe : Izaho no fahazavan’izao tontolo izao ; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina. Jaona 8:11, 12
Tao amin’ny tempoly tao Jerosalema Jesosy. Nipetraka Izy, nampianatra ny vahoaka izay nihaino Azy. Nisy mpanora-dalàna sy Fariseo nitondra vehivavy tratra nijangajanga. Teo ny vahoaka, nanodidina ireo mpiampanga. Teo afovoany ilay nanao fahadisoana, sy Jesosy nipetraka. Niteny iretsy mpiampanga, hoe : „Mpampianatra ô, ity vehivavy ity azo olan-tànana nijangajanga. Ary ao amin’ny lalàna, Mosesy dia nandidy antsika fa hotoraham-bato izay vehivavy manao toy izany ; fa ahoana kosa hoy Ianao ?”
Tsy namaly Jesosy. Niondrika Izy ka nanoratra tamin’ny tany. Izany dia fihetsika mitory fanetrentena, nampiavaka ny fiainany teo anivon’ny olona. Nikiry ireo mpiampanga. Koa nitraka Jesosy, namaly hoe : „Izay tsy nanota eo aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany”. Dia niondrika indray Jesosy ary nanohy nanoratra. Indreo ny mpiampanga fa irery manoloana ny fieritreretany. Nanontany an’i Jesosy izy ireo, kanjo voakasika mafy tamin’ny valinteniny. Koa nivoaka tsirairay izy ireo, tsy nahateny. Izy ireo izay nanondro tanana ny fahotan’ilay vehivavy indray no voatery niaiky ny haratsin’ny toe-panahiny.
Jesosy irery sisa no tafajanona teo, niaraka tamin’ilay vehivavy, ambaran’ny lahatsoratra fa mbola teo hatrany. Izy irery no tsy nandeha, izy irery ihany koa no handre ny tenin’i Jesosy, hoe : „Izaho koa dia tsy manameloka anao ; mandehana, ary amin’izao sisa izao dia aza manota intsony”. Satria nandre izany tenin’i Jesosy izany izy ary nino, dia afaka amin’ny fahotany. Isika tsirairay koa dia afaka mandray izany tenin’i Jesosy izany sy mahatsapa ny herin’izany sy ny voka-tsoa aterany, raha mandray izany tanteraka.