Asabotsy 27 Febroary 2021

Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay ? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay. Jaona 6:68

Maria… nipetraka teo anilan’ny tongotry ny Tompo ka nihaino ny teniny. Lioka 10:39

Mahatoky Andriamanitra, Izay nahatonga ny fiantsoana anareo, hanananareo firaisana amin’ny Zanany, dia Jesosy Kristy Tompontsika. 1 Korintiana 1:9

 

Ny fiombonana : eo akaikin’i Jesosy (1)

Tamin’ny taona 1972, rehefa namoaka ny iray tamin’ireo tantara noforoniny i Gilbert Cesbron (1913-1979), dia nasaina nameno antontam-panontaniana malaza momba ny toe-tsaina amam-panahy, antsoina hoe ny „andiam-panontanian’i Proust”. Ilay fanontaniana hoe : „Inona no ho fahoriana lehibe indrindra ho ahy ?” dia novaliany hoe : „Ny tsy hiaina intsony eo anilan’i Jesosy avy any Nazareta”. Namoaka boky iray vaovao izy, taona vitsivitsy tatỳ aoriana, ka nasaina nameno indray io andiam-panontaniana io ihany. Hoy hatrany ny navaliny ilay fanontaniana teo : „Ny tsy hiaina intsony miaraka amin’i Kristy avy any Nazareta”. Izany ka saina tsy miovaova ! Na oviana na oviana izy tsy mba nanafina ny finoany, izay nanamarika ny boky rehetra nosoratany.

Ny hoe „Miaina eo anilan’i Jesosy”, na „Miaina miaraka amin’i Kristy”, dia antsoin’ny Baiboly hoe fiombonana amin’ny Tompo. Ny fiainana toy izany dia midika aloha fa nino an’i Jesosy Kristy, ary tamin’ny alalany dia nandray ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra. Nefa tsy izany ihany, fa ny fiombonana dia midika fa mahafantatra ny Tompo ho Ilay ananako fifandraisana velona, Ilay avelako hiditra an-tsehatra eo amin’ny fiainako. Mampiasa kisarisary samihafa ny Baiboly, hanehoana ny fiombonana :

— miara-mandeha amina namana ary miresaka aminy,

— mitoetra mandritra ny fotoana vitsivitsy ao aminy,

— miresaka aminy mba hifanakalo hevitra sy fihetsehampo,

— miara-misakafo aminy.

Mbola hiverenantsika ireo kisarisary ireo, isaky ny asabotsy. Fa dieny izao isika dia efa afaka mangataka hoe : Tompo ô, omeo ahy io faniriana hiaina eo anilanao io, fa mila Anao aho !