Alahady 28 Febroary 2021

(Nanontany ny mpianany Jesosy hoe :) Fa ianareo kosa, manao Ahy ho iza ? Ary namaly Simona Petera ka nanao hoe : Ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona. Matio 16:15, 16

Fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao. Jaona 4:42

 

Tsy manan-kevitra hoe ?

Natao sesitany tany amin’ny nosy Sainte-Hélène i Napoléon, no naharay avy tany Frantsa Baiboly voaravak’ireo mari-pamantarana ny maha amperora. Tsy nanan-katao sy sorena izy, ka nanomboka namaky ilay Baiboly, ary ny nahaliana azy indrindra dia ny momba an’i Jesosy Kristy sy ny asany. Toa nisy akony lalina tao anatiny, hono, ny nampitahany tamin’ny zava-bitany manokana ny fiainana masina nananan’i Jesosy Kristy.

Teo am-pitsangantsanganana izy, indray andro, dia niato tampoka ary nitodika nanontany ilay miaramila fanirakiraka niara-dia taminy, hoe :

— Inona no mba hevitrao momba an’i Kristy, ry Montholon ?

— Azafady, tompoko, fa tsy manan-kevitra holazaina momba Azy aho.

Nanohy nandehandeha ny amperora, ary izy ihany no namaly ny fanontaniany :

— Alexandre, Kaisara, Charlemagne, ary izaho koa, dia nanorina fanjakana lehibe, saingy tamin’inona no nanorenanay ny fahefanay ? Tamin’ny ady, tamin’ny hery. Fa Jesosy Kristy kosa dia tsy mba nanorina ny fanjakany afa-tsy tamin’ny fitiavana.

Andriamanitra no mahalala raha nitady famelan-keloka sy famonjena tamin’i Jesosy ity gadra malaza ity, na tsia. Tsy nanambara na inona na inona momba izany ny tantaran’ny faramparan’ny fiainany.

Isika ve hiteny toa an’i Montholon, ilay andriandahy, hoe : „Tsy manan-kevitra holazaina momba an’i Kristy aho” ? Sa isika mihevitra hoe tsy dia mila loatra ny fanafahana entiny, fa ilay amperora naongana ihany no tena mila izany ? Tsia, fa tena mila izany koa isika, satria „samy efa nanota… ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra” (Romana 3:23). Tsy hahita io famonjena io isika, raha tsy mino manokana Ilay Zanak’Andriamanitra nohomboana teo amin’ny hazofijaliana sy nitsangana tamin’ny maty. Mandraka ankehitriny Izy dia mbola manolotra ny fahasoavany. Ndao handray, amin’ny alalan’ny finoana, ny fiainana mandrakizay atolotr’Ilay Mpamonjy.