Alatsinainy 1 Marsa 2021
Ary tonga tamiko indray ny tenin’i Jehovah nanao hoe : Ry Jeremia, inona izao hitanao izao ? Ary hoy izaho : Rantsan-kazo mahatsiaro no hitako. Dia hoy Jehovah tamiko : Marina ny ahitanao azy ; fa mahatsiaro Aho mba hahatanteraka ny teniko. Jeremia 1:11, 12
Ny hazo amygdala (hazo mamoa amanda, karazana paiso vazaha) dia antsoina amin’ny teny hebreo hoe hazo mahatsiaro (Shaqed). Tamina fomba azo tsapain-tanana sy manaitra no nametrahan’Andriamanitra tao amin’ny fitadidian’i Jeremia, mpaminaniny tanora, ny antoka fa mahatsiaro ny teniny Izy mba hanatanterahany izany.
Manamafy izany Jesosy, hoe : „Mandra-pahafoana ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin’ny lalàna, na dia litera iray na tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanterak’izy rehetra” (Matio 5:18).
Fa ny hazo mahatsiaro, ao amin’ny Baiboly, dia manana heviny manokana iray hafa : mba hanafoanany ny fisalasalana momba ny maha avy amin’Andriamanitra an’i Arona mpisorona Israelita, dia nasain’i Mosesy nitondra tehina tsirairay tao amin’ny tranolay masina ireo lohan’ny foko roa ambin’ny folon’ny Israely. Hasehon’Andriamanitra mazava tsara izay lehilahy nofidiny. „Ary nony ampitso dia niditra tao amin’ny tranolain’ny Vavolombelona Mosesy, ary indro fa nitsimoka ny tehin’i Arona… dia nanaroka sy namony ka namoa amygdala” (Nomery 17:23). Tsy vitan’ny hoe notendren’Andriamanitra izay hiandraikitra ny raharaham-pivavahana, fa nomeny dikany mazava ihany koa io fahagagana io : nambarany ny fitsanganana amin’ny maty. Hazo maina, efa voasokitra, no niverina ho hazo velona tao anatin’ny alina iray monja, nitsimoka, nanaroka, ary namony sy namoa amanda (na amygdala) masaka !
Eny, ny hazon’amanda dia manambara Ilay mahatsiaro ny teniny mba hanatanteraka izany, sady milaza ny fitsanganana amin’ny maty. Mahazo fampiononana lehibe isika amin’izany, rehefa mahatsiaro ireo izay nodimandry nametraka ny fitokiany tamin’i Jesosy : fantatsika fa hotanterahin’ny Tompo ny fampanantenany hanangana azy ireo amin’ny andro farany (Jaona 6:39).