Talata 2 Marsa 2021

Zavatra roa loha no angatahiko aminao… : Ampanalaviro ahy ny zava-poana sy ny lainga ; aza manome ahy alahelo na harena ; fahano aho amin’izay anjara hanina sahaza ho ahy ; fandrao, raha voky aho, dia handà ka hanao hoe : Iza moa Jehovah ? Ohabolana 30:7-9

 

Vavaka mahagaga

„Aleo manankarena sady salama, toy izay mahantra sady marary”, hoy ny fiteny. Iza no handà fa mora kokoa ny fiainana eto an-tany ho an’ny manankarena sy salama noho ny ho an’ny mahantra sy marary ? Ny bokin’ny Ohabolana anefa dia mitatitra amintsika ny vavak’i Agora, vavaka mifanohitra amin’io foto-kevitra io. Lazainy ho „biby, fa tsy olona” ny tenany, „ary tsy manan-tsain’olombelona” (Ohabolana 30:2, 3). Nefa dia misy zavatra roa loha tena lehibe aminy, angatahiny mba homen’Andriamanitra azy, dieny mbola velona izy.

Ny nangatahiny voalohany dia tsy mba fahasalamana, fa hoe : „Ampanalaviro ahy ny zava-poana sy ny lainga”. Tsapany fa ilainy ny fiarovan’Andriamanitra azy amin’ny ratsy, satria mampiahiahy azy ny tenany. Ary io lehilahy io, izay nahatsapa ny tenany ho „biby, fa tsy olona, ary tsy manan-tsain’olombelona”, dia nahatakatra fa „ny fahatahorana ny Tompo no fahendrena, ary ny fialana amin’ny ratsy no fahalalana” (Joba 28:28).

Ny zavatra faharoa nangatahiny dia tsy mba harena, fa hoe : „Aza manome ahy alahelo na harena”. Matahotra izy sao hahatonga azy hankahala an’Andriamanitra ny fahantrana, ary hampanadino azy an’Andriamanitra ny fananana harena…

Ny tontolo manodidina antsika ve tsy mampiseho fa marina ny an’i Agora ? Olona mahantra maro no manao an’Andriamanitra ho tompon’andraikitra amin’ny manjo azy ireo, ary olona manankarena maro no miaina tsy misy an’Andriamanitra… Ny vavak’i Agora dia mampiseho fa azo antoka kokoa ny soatoavina ekeny, noho izay mibaiko ny fiainan’izao fiarahamonina misy antsika izao. Andriamanitra, aminy, no fenitra ; miankina amin’Andriamanitra ny tombana rehetra ataony. Izany no mahatonga an’i Agora ho tena hendry sy marani-tsaina ; salama tsara ny fanahiny, ary „manankarena ny amin’Andriamanitra” izy (Lioka 12:21).