Alarobia 3 Marsa 2021

Raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao ianao, ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao. Romana 10:9

 

Mahafantatra manokana an’i Jesosy

„Teraka tao amina fianakaviana kristiana aho, nefa tsy mba mpino, na izany aza. Nampitain’ny ray aman-dreniko tamiko ny fampianarana momba an’i Jesosy Kristy, ny fitiavana ny namana, ny fiantrana, ny fangorahana, ny fihainoana ; nampianariny aho hamaky Baiboly sy hikatsaka hahatakatra izay ambarany. Nanjary henjana dia henjana aho teo amin’ny fitondrantenako, ka nahavita nandratra olona sy nanisy ratsy ireo manodidina ahy, nefa ny Baiboly dia miteny amiko mba tsy hitsara ny hafa. Tsy zakako raha misy olona tsy mitovy hevitra amiko, na tsy miaina ny toejavatra toy ny iainako izany, nefa aho nanao zavatra anamelohan’ny fieritreretako ahy.

Indray lohataona aho dia naka rivotra niaraka tamina andiana tanora kristiana. Takatro tany fa nanana karazana fiainana ara-pivavahana aho, niaraka tamin’ireo foto-pinoako, ny faharesen-dahatro marina na diso, notsoahiko tamin’ny famakiako ny Baiboly. Dia nanjary tonga saina aho hoe niaina izay noheveriko ho fiainana mpino, nefa tsy nahafantatra manokana an’i Jesosy Kristy, na izany aza. Niova ny zavatra rehetra rehefa nosokafako tamin’i Jesosy ny foko sy nankiniko taminy ny fitantanana ny fiainako. Mino aho ankehitriny, nefa tsy hoe satria nandova izany avy amin’ny fianakaviana, fa satria niaiky fa mpanota. Nomen’Andriamanitra ahy ny famelan-keloka feno, satria ny trosako efa nefain’i Jesosy, indray mandeha tsy miverina.

Mandraka ankehitriny ny fahasoavan’Andriamanitra dia mbola ho an’izay mitodika amin’i Jesosy, mba handray ny famelana ireo fahotany sy mba ho fenon’ny ain’Andriamanitra.”

araka an’i Timothée