Alakamisy 4 Marsa 2021

Zavatra iray loha no ataoko : manadino izay zavatra ao aoriana, ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha ; eny, miezaka hanatratra ny marika aho, hahazoako ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony, ao amin’i Kristy Jesosy. Filipiana 3:13, 14

 

Mizotra amin’ny lalana tsara

Tarihinao ny diako, ry Tompo,

Ho any an-danitra, fonenako ;

Tsy ilaozanao aho, ry Andriamanitro,

Noho ny fahasoavanao tsy hita lany.

Mamiratra amiko, noho ny fanambinanao,

Ny fitiavanao, ry Mpamonjiko,

Harenako sy fiainako.

 

Eny, raha tsy mandeha amin’ny finoana aho,

Dia tsy misy fahavitrihana ny fiainako ;

Nefa, ry Mpamonjiko, ao aminao,

Ao amin’ny hatsaranao feno hery,

No fiereko sy famonjena ahy ;

Ary asehoano ahy isanandro

Ny fanambinanao mamiratra.

 

Mandra-pahatonga ny andro hahitako Anao

Ao amin’ny voninahitra mandrakizay,

Sy hanandratako eo anilanao

Ny fahafatesanao nanonitra ny fahotana,

Dia ho anjarako sy mandako Ianao,

Ho tombon-dahiko eo amin’ny fiainana sy ny fahafatesana,

Ho fifaliako sy fandreseko.