Zoma 5 Marsa 2021

Faingana noho ny famahanan-tenona ny androko, ka lany tsy misy fanantenana. Joba 7:6

Fiainana mandrakizay no omen’Andriamanitra antsika, ary ao amin’ny Zanany izany fiainana izany. 1 Jaona 5:11

 

Vinavina toy ny ahoana ?

Inona no dikan’ny fiainako ? Inona no mba tsinjoko amin’ny hoaviko, ankoatra ny hoe mbola hiaina mandritra ny ampolon-taona vitsivitsy, dia ho faty ? Fanontaniana tsy maintsy apetrako izany, satria izao fiainana ananako izao no zavatsoa sarobidy indrindra ho ahy. Misy, manodidina ahy, ireo izay mahafantatra fa fohy ny fiainana, ka miezaka mitady fahafinaretana faran’izay betsaka, ary mandà tsy hieritreritra izay ho tohin’izany. Eo koa ireo „mamono tena” miasa, miandry fotoana hisotroan-dronono, izay mety tsy ho tonga mihitsy. Inona no mba vinavina lavitra ananan’izy ireo ? Satria mantsy misy farany avokoa ny zavatra rehetra eto an-tany ! Voarakitra ao amin’ny Baiboly ny fahamarinana hitan’i Solomona, mpanjaka fantatra noho ny fahendreny, fahamarinana hoe : „Inona no soa azon’ny olona amin’ny fisasarany rehetra izay isasarany atỳ ambanin’ny masoandro ? … Indro, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany” (Mpitoriteny 1:3, 14).

Andriamanitra dia te hampisy dikany ny fiainantsika. Lazain’ny Baiboly antsika hoe nahoana isika no eto an-tany, nahoana no misy ny fahafatesana ; asehony antsika ihany koa… izay ao aorianan’izany. Noforonin’Andriamanitra araka ny endriny ny olona, napetrany tao amina saha mahafinaritra, misy ny zavatra rehetra ilainy hahasambatra azy ; nirindra ny fiainany niaraka tamin’Ilay Mpahary azy. Saingy tsy nankatò an’Andriamanitra ny olona, ka very ilay fifandraisana feno fatokiana taminy. Dia nanjary fahavalon’Andriamanitra ny olona. Nanomboka tamin’izay dia toa tsy nisy dikany intsony ny fiainany. Nefa „Andriamanitra dia fitiavana” (1 Jaona 4:8). Tia ny voariny Izy, ary naniry izay hahasambatra azy. Nanolotra ny tenany Jesosy, Ilay Mpamonjy, mba hahafahantsika manatona an’Andriamanitra sy mandray ny famelan-keloka avy aminy, ary koa ny fiainana mandrakizay. Rehefa mino sy manaiky an’i Jesosy ho Mpamonjy, dia manokatra vinavina ho ana mandrakizay feno fahasambarana miaraka aminy.