Asabotsy 6 Marsa 2021

Ary niara-nandeha tamin’Andriamanitra Enoka ; ka tsy hita izy, fa nentin’Andriamanitra. Genesisy 5:24

Mandehana tahaka ny zanaky ny mazava… mamantatra izay ankasitrahin’ny Tompo… Aoka ho fantatrareo izay sitrapon’ny Tompo. Efesiana 5:8, 10, 17

 

Ny fiombonana : miara-mandeha amin’Andriamanitra (2)

Misy lohahevitra maro ifanakalozako amin’i Rija namako, rehefa mandeha an-tongotra hatreny amin’ny toeram-piasany izahay. Mbola tsy tapitra, matetika, ny resakay, rehefa tonga eo akaikin’ny fidirana ho ao amin’ny biraony izahay ; nefa fantatray fa ho afaka manohy izany izahay ny ampitso. Miara-mandeha izahay, mifampizara ny hevitray, manana „fiombonana”.

Resahina any am-piandohan’ny Baiboly ny lehilahy iray antsoina hoe Enoka. Fehezanteny vitsivitsy monja no anoritana ny fiainany ; nefa indroa izy ao no voalaza fa „niara-nandeha tamin’Andriamanitra” (Genesisy 5:22, 24). Araka izany i Enoka dia nanana fiombonana tamin’Andriamanitra, toy ny hoe niara-nitsangantsangana taminy. Ary tsy hita intsony izy, indray andro, satria nentin’Andriamanitra —zava-miafina izany. Teo akaikin’Andriamanitra i Enoka, ary nony farany dia nalain’Andriamanitra ho mandrakizay hiaraka aminy.

Misy mpino hafa ihany koa niara-nandeha tamin’Andriamanitra : anisan’izany i Abrahama, nantsoina hoe „sakaizan’Andriamanitra” (Isaia 41:8), sy i Noa (Genesisy 6:9).

Rehefa miara-mandeha amin’olona iray, dia afaka miresaka aminy. Ny hoe „miara-mandeha amin’ny Tompo” dia mifandray aminy, eo amin’ny toejavatra rehetra miseho amin’ny fiainantsika, mikatsaka hanao ny sitrapony, mametraka fanontaniana aminy, ary miandry ny valinteniny.

Andriamanitra ve afaka miara-mandeha amintsika ? Mitovy hevitra aminy ve isika ? Ny fandalovantsika eto an-tany ve mba ho hay fintinina amin’ny teny hoe : niara-nandeha tamin’Andriamanitra izy ?