Alahady 7 Marsa 2021

Aiza Andriamanitra, Mpanao ahy ? Joba 35:10

Tahaka ny diera mihanahana maniry ny rano an’ony no anirian’ny fanahiko Anao, Andriamanitra ô. Mangetaheta an’Andriamanitra ny fanahiko, dia Andriamanitra velona. Salamo 42:1, 2

Ny tavanao no tadiaviko, Jehovah ô. Salamo 27:8

 

Ny fijoroan’i Fano ho vavolombelona (1)

Fano dia tovolahy nikorotan-tsaina, ary tsy mora ny fiainany. Tsy mba nobeazina tao anatina fivavahana izy, nefa nanjary lasa eritreritra momba ny Baiboly, hatramin’ny nilazana namany iray taminy fa ny Baiboly no miresaka momba ny niandohan’ny olombelona. Indray andro izy dia nahita adiresy ahafahana mividy Filazantsara, tao amina gazetim-paritra iray. „Raha manana Filazantsara izy ireo, dia tokony hanana Baiboly koa”, hoy izy anakampo. Te hahafantatra bebe kokoa izy, ka nandeha ho any, nefa nisalasala ny amin’ny lalana mankany, ka tara vao tonga… ary tsy nahatadidy firy tamin’izay henony. Nefa, fara faharatsiny, hitany ny notadiaviny, novidiny ny Baiboly, ary lasa izy, tsy niandry ny famerimbola akory.

Andro vitsivitsy tatỳ aoriana i Fano dia niverina ihany tany amin’ilay efitra kely maizimaizina, izay hanjary toerana fiaingany ho amin’ny fahazavan’ny fiainany. Asaina hijanona ireo olona vaovao vao tonga, ary entina am-bavaka. Tsy nanana fifandraisana tamina kristiana i Fano taloha, ary mbola tsy namaky lahatsoratra ara-Pilazantsara mihitsy. „Tsy tadidiko tsara akory izay nolazaina ahy, hoy izy nanoratra tatỳ aoriana, fa nino fotsiny aho, niara-nivavaka tamin’izy ireo, dia niova ny zavatra rehetra. Ary nanomboka tamin’izay dia tsy nisy fisalasalana, na kely akory aza, tonga tato an-tsaiko. Nifanohitra tamin’izany aza, fa toa tontolo nidirako teo amin’ny faha-18 taonako izany, ary nahitako isanandro zava-mahatalanjona, na ny marimarina kokoa, zavatra iray mahatalanjona, dia ny fitiavana feno famindrampon’Andriamanitra tamiko.”

Nino i Fano, ary ny nantsoiny hoe „tontolo nidirako” dia ny „fiainam-baovao” omen’i Jesosy ho an’izay mino Azy.

(hitohy rahampitso)