Alatsinainy 8 Marsa 2021

Voahombo miaraka amin’i Kristy amin’ny hazofijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko ; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin’ny nofo dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. Galatiana 2:20

 

Ny fijoroan’i Fano ho vavolombelona (2)

Ela tatỳ aoriana dia afaka nanoratra i Fano hoe : „Natosika filana ara-panahy aho no nankao amin’io efitrano io ; ny fanahiko nikatsaka an’Andriamanitra, Izay tsy fantatro tany aloha, nefa ninoako fa nisy. Tsy nisy niresaka tamiko momba ny Filazantsara, tsy nahafantatra na inona na inona momba ny fivavahana aho, samy tsy nankany am-piangonana mihitsy, na izaho na ny ray aman-dreniko. Tsy inona aho fa ankizilahy nahantra nobeazina tsy nisy an’Andriamanitra, tsy nanana finoana, nahatsapa tsikelikely filana ara-panahy tao anatiny, antso hanatona an’Andriamanitra. Nila mafy an’Andriamanitra aho. Ny nahafatesan’ny zokiko vavimatoa angamba no nitarika ahy hitady an’Andriamanitra teo amin’ny fahatanorako, na dia tsy tsapako akory aza izany. Azo antoka fa mety manosika antsika hitady an’Andriamanitra ny fahoriana.

Dia hitako Izy, Andriamanitra, naseho feno tao amin’i Kristy, Izay noraisiko ho Mpamonjiko sy Tompoko. Koa tsy afaka manimba ny finoako ireo fahoriana sy fahadisoam-panantenana. Fantatro Ilay ninoako. Tsy hevitra na zavatra foronin’ny saina, fa zavamisy iainana. Tsy ho ampy na oviana na oviana ny fisaorako an’Andriamanitra, nanambara tamiko ny tenany, mba hampahafantarany ahy ny Zanany sy ny fitiavany, sy mba hanomezany ahy ny ho afaka mampifantoka ny masoko sy ny foko amin’izay hoavy, amin’izay ho mandrakizay miaraka aminy. Iray amin’ireo drafitra mahatalanjona nataon’Andriamanitra izany.”

Tatỳ aoriana dia natokan’i Fano ny fiainany hilazana tsy mitsahatra ny fitiavan’Andriamanitra naseho tao amin’i Jesosy Kristy. Afaka nahatsapa izy fa Andriamanitra dia Ray tsara fo sy be fitiavana, ho an’ireo izay matoky Azy tanteraka.

Ianao koa, anio, dia afaka miantso an’Andriamanitra, afaka mino izay lazainy aminao ao amin’ny Baiboly, ary afaka miaina traikefa toy izany.