Talata 9 Marsa 2021

Ankehitriny Izy (Andriamanitra) mandidy ny olona rehetra amin’izao tontolo izao hibebaka, satria Izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ny fahamarinana. Asan’ny Apostoly 17:30, 31

 

Tsy hangina foana tsy akory Andriamanitra

Eo amin’ny rindrina toby fanagadrana iray, dia nisy voafonja nanoratra hoe : „Mino an’Andriamanitra aho, na dia mangina aza Izy”.

Ny fanginan’Andriamanitra, indraindray, dia heverina ho tsy firaharahany, na ratsy lavitra noho izany, ho porofo fa tsy misy Izy, porofo feno hambo ! Manoloana trangan-javatra mampihoron-koditra sy tsy tanty, dia misy miantsoantso hoe : „Aiza koa izany hoe misy Andriamanitra tsara fo izany ?”

Isika mitady Andriamanitra „aro fanina”, afaka manakana ireo fihoaram-pefy rehetra mampitroatra antsika, Andriamanitra manatanteraka ny anjara asa apetratsika aminy. Manome Azy adidy sy andraikitra isika, satria manadino fa isika no hampamoahina aminy, fa tsy ny mifamadika amin’izany tsy akory. Hadinointsika tsotra izao fa Andriamanitra dia Andriamanitra, tompon’ny fahefana rehetra, hadinointsika fotsiny izao fa tsy takatry ny saintsika ny drafitra napetrany.

Toy ny tany aloha ihany, ankehitriny dia misy olona voatsindry hazolena, misy ankizy mijaly, misy tsy rariny… ary mangina Andriamanitra, toa tsy manao na inona na inona. Nefa hitany ny zavatra rehetra, ary tsy hisy hadinony. „Ny fanitsakitsahana ny mpifatotra rehetra ambonin’ny tany ho eo ambanin’ny tongotra, ny familiana ny rariny amin’ny olona eo anatrehan’ny Avo Indrindra, ny famadihana ny adin’ny olona, dia samy tsy sitraky ny Tompo” (Fitomaniana 3:34-36). Ary avy ny andro izay hanatanterahany ny fitsarana, ka amin’izay, dia „zavatra mahatahotra ny ho azon’ny tànan’Andriamanitra velona” (Hebreo 10:31).

Andriamanitra anefa dia tia ny olona ; tsy te hanameloka azy ireo Izy, fa te hamonjy azy. Atolony ny fahasoavany, ho an’izay rehetra miaiky ny fahotany aminy sy matoky an’i Jesosy, Izay maty hamonjy azy ireo. Aza manararaotra ny fahari-pony !