Alarobia 10 Marsa 2021
Jehovah no fahazavako sy famonjena ahy ; iza no hatahorako ? Jehovah no fiarovana mafy ho an’ny aiko ; iza no hangovitako ? Salamo 27:1
Indro, hataoko tonga hiankohoka eo anoloan’ny tongotrao ireo, ka ho fantany fa Izaho efa tia anao. Apokalypsy 3:9
„Tamin’ny fotoana nanenjehana ahy noho ny Filazantsara, dia voaheloka ho faty aho, indray mandeha. Nefa niaro ahy ny Tompo. Tsy novonoina aho, fa navela tany an-tranomaizina.
Tatỳ aoriana dia tojo zava-nanahirana ilay mpitsara nanameloka ahy. Noho ny raharaha pôlitika nataony, dia voaheloka hanefa sazy mandritra ny fotoana lava izy. Tsy vitan’ny hoe natao tao amin’ny fonja nigadrako fotsiny izy, fa tafaraka efitranokely tamiko mihitsy !
Nony tadidiny aho, dia nanomboka nitomany izy : „Andriamanitra ô, mitolo-batana aho. Jesosy ô, tena milavo lefona aho”.
Naverimberiny izany, nandritra ny efatra na dimy minitra ; dia nitodika tany amiko izy, niteny hoe : „Hay ianao ity ! Tadidinao ve aho ? Teo am-pelatanako ny ainao. Nohelohiko ho faty ianao, ary imbetsaka aho no niezaka nampanatanteraka ny didim-pitsarana, nefa isaky ny nanao izay hahafaty anao aho, dia nisy hatrany zavatra nitranga nanemotra ny famonoana. Iza moa no nanampo hoe ho eto an-tranomaizina eto aho, hiaraka aminao ? Hitako fa niahy ny ainao ny Andriamanitrao. Eo am-pelatanany ianao. Izaho kosa eo am-pelatanan’ireo lehiben’ny Antoko. Tsy havelan’izy ireo ho velona aho. Miangavy anao aho, mamelà ny heloko. Mila Ilay Jesosinao aho”. Nojereko izy. Mpitsara ahy izy, teo aloha. Ankehitriny aho afaka ho mpitsara azy. Ary lazain’ny Tompo ahy ny karazana fitsarana tokony hataoko aminy : Andriamanitra dia mamela heloka, ka tokony hanao toy izany koa isika. Ary momba ny aintsika, dia eo am-pelatanan’Andriamanitra izany : tsy misy tsintsina, „na dia iray akory aza… ho latsaka amin’ny tany, raha tsy avelan’ny Rainareo” (Matio 10:29)”.
Li An (Chine)