Alakamisy 11 Marsa 2021

Ho ao amin’i Kristy, satria tsara lavitra izany. Filipiana 1:23

Ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika. 1 Tesaloniana 4:17

 

Ny hiverenan’ny Kristy

Ny mpino tsirairay mahalala Ilay Andriamaniny sy miara-miaina aminy, dia manana faniriana lalina hihaona aminy. Ny Baiboly dia mirakitra fanambarana maro mampahery sy mampandini-tena antsika.

„Manina sady vonton’alahelo ny kianjan’i Jehovah ny fanahiko” (Salamo 84:2). „Tahaka ny diera mihanahana maniry ny rano an’ony no anirian’ny fanahiko Anao, Andriamanitra ô. Mangetaheta an’Andriamanitra ny fanahiko, dia Andriamanitra velona ; rahoviana no ho tonga aho… eo anatrehan’Andriamanitra ?” (Salamo 42:1, 2).

Nomena an’i Stefana natao maritiora ny hahita sahady an’i Jesosy any an-danitra, ao amin’ny voninahiny (Asan’ny Apostoly 7:55) ; i Paoly dia naniry ny ho ao amin’i Kristy (andinin-tSoratra masina androany).

Ho an’ny kristiana nametraka ny fanantenany sy ny finoany ao amin’i Jesosy, ny Tenin’Andriamanitra dia mampahatsiaro ny fotoana hiverenan’ny Tompo haka ireo olony : „Raha handeha… Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko” (Jaona 14:3). Toy ny efa antomotra izany fotoana izany : „Eny, avy faingana Aho” (Apokalypsy 22:20). Ho trangan-javatra tsy manam-paharoa sy toy ny fahagagana izany : „Tsy hodimandry avokoa isika rehetra, fa vetivety, toy ny indray mipy maso, … dia hovaina isika rehetra ; … ny maty hatsangana tsy ho lo intsony, ary isika hovaina” (1 Korintiana 15:51, 52).

Mba ao anatin’ny fiainantsika ve izany fiandrasan’ny fanahy am-paharetana izany, fanahy mahafantatra fa toy ny ao amina trano fonenana vonjy maika izy, ary angamba ho mandritra ny fotoana fohy dia fohy ? Izany fiandrasana izany ve tsy mba mampahery ireo izay mijaly noho ny fahasembanana ? Raha toa isika feno faniriana hihaona amin’ny Tompo, Izay nanolotra ny ainy ho antsika, dia hatokantsika ho Azy ny fiainantsika. Tiany ny mba ho afaka miteny amin’ny tsirairay hoe : „Nahatoky… ianao, … midira amin’ny fifalian’ny tomponao” (Matio 25:21).